airtel

Politique

21-oct-2025

Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo

Misy dian-tanan’ny iraisam-pirenena sy vondrona matanjaka ?

Sample post image

Herintsalama Rajaonarivelo no voatendry

21-oct-2025

ho Praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta ao anatin’ny Fiadidian’ny fanavaozana ny Repoblika, araka ny fampahafantarana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ofisialy teny Iavoloha omaly 20 oktobra 2025, telo andro toarian’ny fianianan’ny Filoha. « Nanaraka antsakany sy andavany ny lalàmpanorenena isika dia ny andininy faha-54. Ny depiote no nanolotra ny Praiminisitra vaovao. Antony mato no nifidianana azy : fahaizany, traikefany, fifandraisany amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena izay miara-miasa amin’ny Firenena Malagasy. », hoy ny Filohan’ny Fiaidian’ny fanaovazana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael. Praiminisitra faha-30 teo amin’ny tantaran’ny Firenena ny Praiminisitra vaovao. Mpahay toekarena, manam-pahaizana momba ny varotra iraisam-pirenena, nandalina momba ny tontolon’ny orinasa sy ny toekarena indostrialy,… manana ny Diplôme de 3ème cycle en Économie Industrielle - Économie d'entreprise ny Praiminisitra vaovao. Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Banky BNI izy nialohan’ny fanendrena azy ho Praiminisitra. Efa Filoha nitarika ny FIVMPAMA (Fikambanan’ny Mpampiasa Malagasy) nandritra ny 10 taona. Mpikambana amin’ny vondrona teknika miasa momba ny Varotra iraisam-pirenena (COI, OMC, COMESA, Fifanarahana UE/ACP, sns.). Mpanolotsaina iraisam-pirenena izay efa nitantana asa maro ho an’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Vondrona Eoropeana, ny Sekreteram-panjakana an’ny firenena ACP, ny COMESA, ny SADC, ny COI ary ny BAD, ITC. Nisehatra asa samihafa, mpikambana sy filohan’ny filankevi-pitantanana tamin’ny sehatra samihafa toy ny Banky BNI, Vondron’ny PME, Assurance Aro, Galana Raffinerie, OSTIE, EDBM. Nanampy orinasa madinika sy salantsalany tany Eoropa, avy eo nitodika ho an’ny teto Madagasikara. Expert tany amin’ny PNUD sy ny BIT (Bureau International du Travail). Anisan’ny namorona an’ilay hoe : « entreprendre à Madagascar » tamin’ny alalan’ny tohana ara-teknika sy ara-bola ho an’ireo orinasa madinika sy tena madinika. Isan’ny niady hatrany amin’ny taona 2002 tao anatin’ny FIVAMPAMA hoe ahoana no hanamafisana ny indostria Malagasy hitondra vokatra mba hanovana ireo vokatra indostria hafarana eo anatrehan’ny fibahanan-toeran’ny fanafarana avy any ivelany, ka nahazoana ny amboara « best practices in Export ».
MISY DIAN-TANAN’NY IRAISAM-PIRENENA SY VONDRONA MATANJAKA ? Miraradraraka ny momba azy ara-taratasy sy ara-traikefa, saingy andrasana kosa ny vokatra hoentiny satria tsy mora ny miandry ny Fanjakana ankehitriny manolana ny olana samihafa, toy ny ara-bola, ny lavaka goavana navelan’ny Fanjakana teo aloha sy ny fitantanana mamohehitra tao anatin’ny 16 taona,... Amin’ny lafiny iray, « Banquier » na havanana amin’ny resaka vola ny Praiminisitra vaovao ka heverina fa hanamora ny fifampiresahana amin'ny mpamatsy. Ankilany, fanontaniana mety manitikitika manodidina taorian’ny fivoahany ny anarany ny hoe : manao ahoana ny fahamarinan’ireo ahiahin’ny mpanara-baovao momba azy manomboka mivoaka ? Misy dian-tanan’ny Iraisam-pirenena ve ny fametrahana azy ? Misy dian-tanan’ny mpitondra teo aloha izay niongana sy mpandraharaha matanjaka tao anaty fitondrana na vondrona ara-toekarena matanjaka eto sy avy any ivelany? Inona no antoka fa tena hitondra rivo-baovao sy fanovana ary fanorenana ny Firenena izy ? Tsetsatsetsa tsy aritra ireny ary tsy afaka hitsongoloka be fahatany isika na misy aza ireo zavatra manitikitika, ka avela hiasa izany ny Praiminisitra ary miandry vokatra ny rehetra. Anisan’ny asa lehibe iandrasan’ny vahoaka vokatra ny fananganaa governemanta ahitana taratra ny fitakiana nandritra ny tolona sy ny hetahetam-bahoaka. Ny famerenana ny fitokisan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Fametrahana ny fototra ho an'ny fanavaozana ny repoblika. Andrasana ny tohiny…
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap