airtel

Politique

02-mars-2026

Programan’ny fanavaozana

natolotra ny SADC Ny vahoaka no masi-mandidy !

Sample post image

Hanova lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana,...

02-mars-2026

Natolotra ny SADC tamin’ny alalan’ireo iraka tarihin'i Dr Joyce Banda ny sabotsy 28 febroary teo ny “Fandaharan'asan’ny Fanavaozana” ho an’i Madagasikara. Fandaharan’asa izay nambara fa hanamarika dingana vaovao eo amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy ny filaminam-pirenena eto Madagasikara. Navoitra fa ny fanavaozana ny Repoblika dia dingana stratejika lehibe ho an’i Madagasikara, miorina amin’ny fanekena fa ny vahoaka Malagasy no loharanon’ny fahefana sy ny maha-ara-dalàna ny rafitra politika. Ny hetsi-bahoaka tamin’ny 25 septambra 2025, notarihin’ny tanora sy ny vahoaka, no nitarika ny fanovana ara-politika sy ny fananganana ny Fananganana ny Repoblika faha-5. Ny governemanta vaovao dia nametraka tanjona mazava: fananganana rafitra vaovao miorina amin’ny fanjakana tan-dalàna, fisarahana fahefana, fahaleovan-tenan’ny fitsarana, fahalalahana ara-politika, ary fifidianana demokratika. Ireo no fototra hananganana ny Lalàmpanorenana vaovao sy ny rafitra manara-penitra amin’ny fitondrana.
FIKAONDOHAM-PIRENENA, FANAVAOZANA IREO RAFITRA
Nambara fa manana ny fiandrianany i Madagasikara, ka dingana voalohany ny Fikaonandoham-pirenena izay manangona hevitra sy fanapahan-kevitra avy amin’ny olom-pirenena manerana ny faritra sy ny diaspora. Ny fitsipika fototra dia ny intangibilité (tsy azo ovaina ny fizotry ny fanavaozana), inclusivité (fandraisana anjara avy amin’ny sokajin’olona rehetra), pluralisme (fampihainoana ny hery velona rehetra), ary redevabilité (famoahana sy fitahirizana tsy misy fanovana ny vokatry ny fifampidinihana). Ny vokatra lehibe amin’ity dingana ity dia ny "Document National d’Orientation", izay ho fototra amin’ny fananganana rafitra vaovao. Tanjona ny hanavao tanteraka ny rafitra sy lalàna mifehy ny fifidianana. Tafiditra amin’izany ny fanavaozana ny CENI mba hahazo fahaleovan-tena sy fahaiza-manao tsy miankina, ny fananganana "juridiction électorale" na rafi-pitsarana ara-pifidianana manokana ho tompon’andraikitra amin’ny fifandirana sy fanambarana vokatra, ny fanavaozana ny lalam-pifidianana sy ny lalàna momba ny antoko politika sy ny fanoherana, ary ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ho azo antoka sy manara-penitra. Ny fiarahamonim-pirenena dia asaina mandray anjara mavitrika amin’ny fanaraha-maso ny dingana, ho antoka amin’ny fahamarinan’ny vokatra.
LALÀMPANORENANA VAOVAO
Miorina amin’ny vokatry ny Fikaonandoham-pirenena izy io. Ny volavolan-dalàmpanorenana vaovao dia hosoratana, hozaraina amin’ny vahoaka, ary hohamarinin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny référendum na fitsapankevi-boaka manokana. Manaraka izany ny fifidianana lalàmpanorenana sy Filoham-pirenena manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ny rafitra ara-pifidianana vaovao no handrindra ny fifidianana, ary ny firaisamonim-pirenena sy ny fiarahamonina iraisam-pirenena dia hanara-maso ny fizotry ny fifidianana ho antoka amin’ny fahamarinan’ny vokatra. Ny filoha voafidy dia hampidirina amin’ny andraikiny araka ny Lalàmpanorenana vaovao. Voafetra ho 24 volana (2026–2027) ny dingana mizara ho dingana efatra: Fikaondoham-pirenena, fanavaozana ara-pifidianana, fanoratana ny Lalàmpanorenana, ary fifidianana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap