nisy satria ny kortezy mitondra ny filoha misy « drones » manaraka amin’ny andro alina anatin’ny roa andro. Efa nisy ny alakamisy nojerena fotsiny aloha, ary mbola nisy ny zoma, ka naseho nampiseho azy hoe izahay vonona ny hamaly hoe tsangan’olona fotsiny ». Nifona tamin’ny vahoaka kosa ny teny tenany teo anatrehan’ny zava-nitranga niteraka fikoropahan’ny olona izay mety nieritreritra fa nisy rotaka teto Antananarivo, ka nilazany fa tsy misy rotaka, fa miasa tsara ny rehetra, miasa ny zandarimaria, tafika, polisy. « Izay no tadiavin’ireo olona ireo dia ny hanisy « psychose » eto Madagasikara, mba hahafahany milaza any ambadika any fa mirotaka i Madagasikara », hoy ny PRRM. Niantso ny olom-pirenena tsirairay eny anivon’ny fiarahamonina hanome loharanom-baovao moa ny PRRM amin’ny fanoroana ny fiaingan’ireny « drones » ireny. Efa misy ny fitaovana ampiasain’ny miaramila nanomboka ny sabotsy teo hahafahana mitsirika an’ireny « drones » ireny saingy mbola tsy ampy sy mbola hampiana raha ny nambarany, izay nisaorany an-dry zareo Rosianina amin’ny fanomezana izany fitaovana izany. Nanao antso amin’ny olom-pirenena hiaraka hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’ny firongatry ny trangana olona very sy faty olona etsy sy eroa, izay nambarany fa misy ambadika politika entina hanakorontanana Firenena. « Fomba fiadiny daholo io hilazana fa tsy milamina i Madagasikara dia ny olona no samborina, ny olona no vonoina », hoy ny PRRM nankahery ny mpitandro ny filaminana mba hitady mafy ny olona manao zavatra tsy mety. Nambarany fa maheno ny Fanjakana fa efa miparitaka eto ihany koa ny rongony, ka nilazany fa fomba fiadiny hampikorontanana ny firenena izay efa mipirina ity, ka tokony ho fantany fa tsara kokoa i Madagasikara tsy misy azy io ka tokony hijanona amin’izay toerana misy azy any izy. Te hilaza ve ny PRRM na tsy mivantana aza fa ny eo anivon’ny fanoherana izay misy lasa sesitany any ivelany no ao ambadik’ireo raharaha fanakorontanana ? Na tia aloha na tsy tiana, dia tsy misy zavatra tongatonga ho azy sy mandeha ho azy ny zava-drehetra mitranga eto amin’ny Firenena, indrindra fa ny manodidina ny politika. Raha zohiana ireo toe-javatra nitranga tao anatin’ny tapa-bolana, dia nisy ny fanambarana nataon’ny SADC izay nivoitra ny resaka fampanajana ny lalàna sy lalàmpanorenana, dinika handraisan’ny rehetra anjara, fampodiana ireo sesitany sy famoahana ireo politika,… Matetika mialoha na aorian’ny famoahana fehin-kevitra tahaka ireny no hisiana serasera na fambolena toe-javatra politika, ka isan’ny efa nisy teo aloha ohatra ny fivoizana mafy misy amin’ireo mpanao politika tazonina am-ponja noho ny raharaha samihafa toy ny kolikoly, fikasana hanongam-panjakana,… no lazaina fa marary mafy efa ho faty ao am-ponja, tao ny nolazaina fa voapoizina,… Misy ihany koa andaniny ny toe-javatra mifandraika amin’ny fifanolanana goavana ara-toekarena toy ny sehatra stratejika : solika, fifanarahana momba ny angovo, fikitihana mivantana na ankolaka tombotsoa,… Mety mandeha ny don-tandroka politika. Fomba fijery hafa ihany koa anefa ny fivoizana fa zavatra iniana volena hanodinkodinana saim-bahoaka ny tranga toy io resaka « drones » tamin’ny zoma io teo anatrehan’ny toe-javatra samihafa toy ilay raharaha fanotorana tany goavana niteraka resabe, ny mety olan’ny famatsiana herinaratra,…
Toky R
Nifarana ny fitsidihana ofisialy