airtel

Politique

07-janv-2025

Raharaha Apollo 21

Mampametra-panontaniana ny fepetran’ny iraisampirenena

Sample post image

3 taona mahery izay no nitrangan’ilay raharaha Apollo 21 na fikasana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena,

07-janv-2025

Andry Rajoelina, izay naha voarohirohy olona miisa 8 heverina ho manana ny maha izy azy teo amin’ny fiainam-pirenena teto Madagasikara, raha tsiahivina. Voaheloka hiasa an-terovozona 20 taona taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsaràna tamin’izay fotoana izay, ny ofisien’ny zandarimaria frantsay teo aloha, Paul Maillot Rafanoharana, izay manana ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. 10 taona hiasa an-terovozona ny an’ilay frantsay, Marc-Phillipe François. 10 taona toy izany koa ny an’ilay malagasy, Aina Razafindrakoto ary 5 taona toy izany ny an’ilay malagasy, Voahangy Andrianandrianina. Sazy miantona 5 taona no azon’ilay malagasy, Victor Ramahatra, sy ny mpanakanto sady mpanao politika tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao, Yvon Randriazanakolona na Sareraka. Afaka noho ny fisalasalana ny teratany vahiny hafa, Brigitte Mroczek, sy ny Jeneraly Ferdinand Razakarimanana. Ny faraparan’ny volana desambra moa dia nitaky ny famoahana an’i Paul Rafanoharana ny filankevitra misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny firenena mikambana na ONU. Fepetra izay mampametra-panontaniana hoe hatraiza izany no hahafahan’ny sehatra iraisampirenena miditra amina raharaha toy itony? Fa maninona no mikasika ity zandary frantsay teo aloha ity ihany no nidiran’izy ireo an-tsehatra? Saika samy nilaza avokoa ireo mpisolovavan’ny voarohirohy tamin’ity raharaha ity fa tsy ampy ny porofo nahafahana niampanga ny olona narovan’izy ireo ary nivoy tamin’ireo haino aman-jery iraisampirenena samihafa nefa izany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap