airtel

Politique

15-mai-2026

Raharaham-pirenena

Hitarika fihaonambe eto Antananarivo ny FFKM

Sample post image

Nanamafy ny FFKM tamin'ny

15-mai-2026

alalan'ny Filohany Mgr Ranarivelo Samoela Jaona fa hitarika fihaonambe eto Antananarivo ny 19-21 mey 2026, iarahany manatanteraka amin'ireo rantsa-mangaikany rehetra. Handinihin'ny FFKM ny toe-draharaha ao anatiny io, ary hodinihina ihany koa ny fiainam-pirenena amin'ny maha mpitily sy mpaminany azy eto amin'ny Firenena. Miantso ny zanany rehetra noho izany ny FFKM mba hiaraka hiombom-bavaka eny amin'ny FJKM Ankadikely ny talata 19 mey amin'ny 10 Ora maraina ho fanombohana izany ofisialy. Ny alakamisy 21 mey izay hanaovana ny famantarana kosa dia ao amin'ny Ekar Madindahy Saint-François-Xavier Antanimena. Manentana ny vahoaka sy ny kristianina hiara-hiombom-po amam-panahy noho izany ireo Filoham-piangonana 4 mirahalahy. Tsara ny manamarika fa vao ny 30 septambra teo ny FFKM no nilaza, fa miara-miaina ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny isika izay mampanahy sy miteraka savorovoron-tsaina eo amin’ny samy vahoaka Malagasy ny zava-misy. Mahatsapa ny Fiangonana fa tandindomin-doza ny fihavanana, izay soatoavina fototra mampiray ny Malagasy. Miseho sesilany ny fihenjanana ara-tsosialy sy ara-politika, fihantsiana amin’ny alalan’ny teny sy ny haino aman-jery ary tambazotran-tserasera, izay mikendry ny fampisaraham-bazana ny samy mpiray tanindrazana, ary koa ny fahantrana mbola mahazo ny maro.Efa naneho hatrany ny fahavononana hitarika fifampidinihana ny FFKM araka ny fanomezam-pahefana nomen’ny Filohan’ny fanavaozana an’i Madagasikara tamin’ny 19 Novambra 2025, saingy nanamarika tamin’izany fa ny fanompoam-pivavahana natao ny 10 Desambra 2025 teny amin’ny CCI Ivato dia tsy nisy nandraisan’ny FFKM anjara ny fanomanana ireny fikaonandoha samihafa ireny. Andrasana ny ho fisehony sy ny vokatra ao anatin’ity fihaonambe hotarihin’ireo Raiamandreny am-panahy ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap