airtel

Politique

04-févr-2025

Saika hanao hetsika teny amin’ny MEN

Mpitarika Sendikan’ny mpampianatra 2 nosamborina

Sample post image

Voasambotra omaly teny amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena na ny MEN Anosy ny Filohan’ny

04-févr-2025

Sendika MITAFA Atoa Rams Mahatoky Back. Sendika eo amin’ny tontolon’ny fampianarana izy io, ka raha nikasa hivory sy voalaza hanao hetsika, haneho hevitra amin'ny maharary amin'ny mpanabe teny amin'ny MEN, dia nosamborina io omaly io, tokony ho tamin'ny 1ora tolakandro ity Filohana sendika ity sy ny mpitarika namany iray hafa. Nialohan’io dia efa nandeha ny fifanentanana samihafa mba hiraisana hina ho an’ireo mpampianatra ka nanehoana fa tsy tolona ho an’ny MITAFA ihany. Raikitra fa ho eny amin’ny MEN haneho ny marary an’ireo mpanabe. Teo amin’ny tsena vaovao ampitan'ny Antenimierandoholona no voalaza fa no fotoana nomen'i Prezida Mahatoky mba hifanomezana toromarika farany alohan'ny ahatongavana teny amin’ny MEN. Ny rehetra samy teo daholo niandry, tsy azo antso intsony anefa ny tenany sy olona roa niaraka taminy. « Niandry teo izahay no niantso kely tsy nisy 30 segaondra ilay Filoha Rejionaly avy any Vakinankaratra hoe mihidy aty Fiadanana izahay fa nosamborin-dreo aninkeo. Mila mpisolovava maika fa hilazao ny namana », hoy ny fanazavana fohifohy. Izay mihetsika rehetra izany dia na fandrahonana na fisamborana.
HIHETSIKA NY SENDIKA SAMIHAFA…
Naneho fa ho avy eny Fiadanana ireo naman’ireo voasambotra anio sy ny sendika samihafa anio. « 10 taona lasa izay tamin’ny 2015 no nisamboran'ny Fanjakana tamin'izany ireo sendikalista 4 tao amin’ny Air Madagascar noho ny tolona sendikaly nataony. Tadidintsika fa 80 mahery ny sendika nijoro tamin’izany nitaky ny fanajana ny zo sendikaly sy ny famoahana azy ireo. Mafy ny tolona tamin'izany. Indrisy 10 taona aty aoriana amin’izao Fanjakana izao dia miverina indray izany fisamborana izany satria nosamborina androany ny Filohan'ny sendika MITAFA sy ny ekipanay ao amin’ny MEN ary notazomina eny Fiadanana. Tolona sendikaly androany nisian'ny fitokanana no nahatonga izao koa rahampitso 4 febroary 2025 amin’ny 11ora sy sasany, ary no hanomboka ny hetsika firaisakina Sendikaly ho fitakiantsika ny fanajana ny zo sendikaly sy ny famoahana azy roalahy. « Ho mafy ny tolona koa alao hery Ary ry kamarady », hoy ny fifanentanana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap