airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Sainam-pirenena Tsy dia mandeha ny tsena

Sample post image

Afaka herinandro eo ho eo dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika.

12-juin-2023

Ny zavatra hita sy mahavariana eny anivon’ny fiarahamonina eny anefa dia mbola vitsy ireo tokantrano tazana manangan-tsaina. Iray ao anatin’ny 20 izany raha misy, indrindra fa ny eny amin’iny faritra Atsimondrano iny. Samy manana ny antony mahatonga izany ny tsirairay amin’ny ankapobeny. Ao ireo tsy manana fahafahana ny hividy sainam-pirenena mihitsy izay manomboka amin’ny 5.000 Ar ny vidin’ny iray eny an-tsena ka hatramin’ny 20.000 Ar. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina aza manahirana hoy ny sasany. Ny sasany indray kosa efa leo sy tofoka ny amin’ny fahasahiranana entin’izao fitondrana mijoro izao eo amin’ny fiainany ka aleony tsy manangan-tsaina mihitsy. Marihina fa misy fiantraikany amin’ireo mpivarotra sainam-pirenena mandehandeha izany. Ny faladiha fotsiny mantsy no lany raha araka ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo fa mbola tena maina ny tsena. Toraka izany koa ireo mpivarotra kilalao ho an’ny fetin’ny 26 jona .
Pati
Legende : Mila hifanitsa-kitro anefa ireo mpivarotra sainam-pirenena eny an-tsena amin’izao
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap