airtel

Politique

13-mars-2025

Sehatry ny fampandrosoana ny

demokrasia eto Madagasikara

Sample post image

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

13-mars-2025

Lazain’ny Economist intelligence unit na EIU ho «hybride» moa isika, hoy ny filohan’ny antoko politika SFDM na Sehatry ny fampandrosoana ny demokrasia eto Madagasikara, Paul Beanjara, izany hoe tsy ao anatin’ny fisian’ny demokrasia. Ny demokrasia moa, hoy izy, fahefam-bahoaka. Ilay vahoaka mihitsy izany no mandray an-tanana ny fiainany na ara-piarahamonina na ara-toekarena sy fanapahan-kevitra rehetra mahakasika azy. Misy eto ny endrikendriky ny demokrasia ety ivelany. Misy fahefàna mpanao lalàna. Misy ny mpanatanteraka. Misy ny governemanta saingy ireo dia baikon’olona iray ihany. Lasa fanjakàna tsy refesi-mandidy. Ny lalàmpanorenantsika mihitsy no tsy mety. Ny filohan’ny repoblika, ohatra, no ambony indrindra amin’ny tafika. Izy koa no mbola mibaiko ny fampiharana ny lalàna. Izy no mibaiko ny rafitra rehetra. Inona no fahefam-bahoaka ao anatin’izany? Fahefan’olon-tokana no eto. Sarintsariny fotsiny ny rafitra rehetra fa tsy mahaleotena ny fitsaràna, ny parlemanta, ny antenimierandoholona. Karazana mpanjaka kely eto i Andry Rajoelina. Izay sitrapony no tsy maintsy tanterahina. Jereo tsara ny nilazàny fa izy tsy maintsy tafiditra amin’ny fifaninanana ho filoham-pirenena nefa izy tamin’ireny fanta-poko, fanta-pirenena fa manana zom-pirenena frantsay izay nangatahiny nefa izy efa hary saina tsara. Fantany tsara fa very aminy ny maha malagasy azy rehefa manao izany antsoina hoe fiofona na «naturalisation» izany. Nanao bodongeriny fotsiny izao hoe izy tsy maintsy tafiditra ary tsy maintsy lany. Hala-pifidianana na «hold up électoral» ireny, hoy izahay. Nitohy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ilay izy ary vao mainka loza tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo. Tsy misy fahefam-bahoaka eto no dikany. Tsy misy demokrasia fa didy jadona ary olona iray no mitondra ity firenena ity dia i Andry Nirina Rajoelina. Ny naoty manomboka 8/10 no notsarain’ny EIU ho tena demokrasia. Ny nosy Maorisy no tao. Raha anelanelan’ny 4/10 hatramin’ny 6/10, ny antsika moa 5, dia izay ilay hoe «hybride» na sarintsarina demokrasia fa ny didy jadona no tena izy. Ny ambanin’ny 4 moa izany dia tena fahefana miaramila. Endrika ratsy manoloana ny sehatra iraisampirenena izany satria ny mpanam-bola matahotra hiditra aty. Raha hampiasa vola amina firenena jadona toy izany ianao, mety angalarin’ny fitondràm-panjakàna ny volanao dia tsy misy mpiantoka. Hitory amin’ny fitsaràna ianao, io koa baikon’ny filohan’ny repoblika. Ny manohitra an’izany no andraikitry ny mpanao politika sy ny vahoaka malagasy fa tsy mangina. Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka. Hery fiarovana azy io. Rehefa mitroatra ny vahoaka dia tsy maintsy miala ny mpanao didy jadona. Ilaina ny miteny hoe tsy mety amin’ny fanaparam-pahefana rehetra na amin’ny haratsian-dalana izany na amin’ny fakàna tany na amin’ny kolikoly mety ataon’ny mpitsara satria olombelona ireny. Natao hamelona fa tsy hamono ny lalàna. Mila miteny na ho gadraina aza satria raha gadraina ny olona 1 sy 2, ny olona 200 sy 1000 isa tsy ho atonona fonja avokoa, hoy hatrany ny SFDM.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap