airtel

Politique

15-mai-2026

Siteny Randrianasoloniaiko

Nisongona ny HCC, namaly

Sample post image

an'ny depiote Rajerison Antoine

15-mai-2026

Nametraka fitoriana eny anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny depiote Rajerison Antoine, mangataka ny hamindrana ny fahefam-panjakana aminy miaramila hafa noho ny fandikana lalampanorenana ataon'ny mpitondra ny Fanavaozana ankehitriny araka ny ambarany. Ny andro nampahafantaran'ity depiote voafidy tao Arivonimamo ity tamin'ny tambazotra serasera io fitoriana napetrany teny amin'ny HCC io ihany anefa dia nitondra setriny i Siteny Randrianasoloniaiko, Filohan’ny Antenimierampirenena. Ilaina, hoy ity farany, ny mampahatsiahy amin’ny fomba mazava ny fototra ara-dalàna sy araka ny lalampanorenana mifehy izany "saisine" izany eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Voafaritra mazava ireo manampahefana afaka manao “saisine” eo anivon’ny HCC, indrindra raha mikasika ny fampandehanan-draharaham-panjakana, ny fandikana ny Lalàmpanorenana, na ny fitohizan’ny andrimpanjakana, hoy ny fampahatsiahivany. Noho izany, ny solombavambahoaka iray irery amin’ny maha depiote tsotra azy dia tsy manana fahefana ara-dalàna hanao “saisine” ny HCC amin’ny raharaha tahaka izao, raha tsy ao anatin’ireo fepetra voafaritra mazava ao amin’ny Lalàmpanorenana. Ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna, hoy hatrany ny fanazavan'ny filohan'ny Antenimierampirenena, "tsy ny fanambarana politika na ny fanirian’olona no mamorona lalàna, fa ny Lalàmpanorenana sy ny paika ara-dalàna no mifehy ny Repoblika". Nampahatsiahy i Siteny Randrianasoloniaiko fa "tsy azo ampitahaina amin’ny toe-javatra nisy tamin’ny taona 2025 ny zava-misy ankehitriny. Tamin’izany fotoana izany dia nisy banga ara-panjakana ; tsy nisy Filoham-pirenena teto an-toerana ; tsy nisy Filohan’ny Antenimieran-doholona afaka nandray andraikitra ary voafetra ny fahefan’ny Governemanta". Izany indrindra, hoy izy, no nahatonga ny HCC nandray fanapahan-kevitra manokana hiantohana ny fitohizan’ny Fanjakana sy ny filaminam-pirenena. Ankehitriny hoy hatrany ity lehiben'ny andrimpanjakana mpanao lalàna ity dia misy Filoham-panjakana miasa ; misy Governemanta ; misy Antenimierampirenena ; ary mandeha ara-dalàna ny andrimpanjakana. Noho izany, tsy tokony hafangaro ny krizy ara-konstitusionaly sy fanambarana na fitakiana ara-politika. Niaro ny HCC i Siteny Randrianasoloniaiko, nilazany fa andrimpanjakana masina sy ambony miaro ny Lalàmpanorenana io ka tsy tokony hatao fitaovana politika na toerana hanaovana tsindry amin'ny haino aman-jery. Ny fitoniana ara-panjakana sy ny fanajana ny Lalàmpanorenana, hoy izy, no antoky ny filaminana sy ny hoavin’ny Firenena.
Jean D.
Siteny Randrianasoloniaiko, Filohan’ny Antenimierampirenena
 

Dans la même rubrique

15-mai-2026

Tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny

Card image cap
15-mai-2026

olona akaiky an’i Lalatiana nosamborina ?

Card image cap
13-mai-2026

Miharihary ny zava-misy ara-politika sy jeopolitika

Card image cap
13-mai-2026

Naniry ny hitsidika ny Fonjan’i Manjakandriana

Card image cap