Efa mety io tetiandro mikasika ny fikaonandoham-pirenena io, hoy ny mpamakafaka politika sy fiainam-pirenena sady mpitarika sendika sy mpiasam-panjakàna, Tarzan Ndremitsara. Mila mazava, hoy izy, etsy ankilany, mikasika ny fepetra takian’ny SADC, hoe inona no atao hoe gadra politika ary iza amin’ireo migadra no tena gadra politika? Iza no gadra araka ny lalàna? Na izany na tsy izany dia tsy tokony hisy ampihemotra ny tetiandro momba ny fikaonandoha voalaza teo intsony. Hita ho efa mandeha amin’ny lalana tokony ho izy ny fandaminana momba an’io fa mila jerena tsara ny fanatanterahana sy ny pitsopitson’ireny fandaminana ireny. Ny toetsaina fametraka anatina tetezamita moa dia hoe izay nitantana tanaty tetezamita dia tsy tokony hiditra amina raharaha filatsahana ara-politika. Misafidy izany ilay olona hoe hiditra anaty tetezamita sa handatsaka kandidà? Tena ilaina ny tsy fitanilàna! Afaka miditra anaty tetezamita izy fa avy eo tokony hiala anatin’izay rafitra izay raha toa ka manana heritreritra hilatsaka na hanohana kandidà. Mila apetraka ny tsy fitanilàna ara-pitantanan-draharaha anaty CENI. Tsy tokony hisy ny hoe solontenan’ny fiadidiana ny repoblika na solontenan’ny antenimieram-pirenena, izany hoe, rehefa manana tsanganana politika dia tsy tokony ho ao intsony. Toy izany koa no tokona hanaovana ny HCC. Ny tena tanjona tsinona dia ny hananana fifidianana tsy mitanila, eken’ny rehetra, mangarahara, fifidianana tsy voavidim-bola ary ahitàna olona tsy voavidim-bola ihany koa. Ilaina foana koa ny fihainoana sy fandraisan’anjaran’ny rehetra. Efa mety io tetiandro sy fandaminana fa mila apetraka mazava koa izay fandraisan’anjaran’ny rehetra izay. Mila tsy miandany ny komity mpikarakara na «comité de pilotage». Efa nahita traikefa isika. Isan’ny nampizarazara teto ny fiandaniana tamina loko politika. Hita hoe tsy mety izany dia ahitsy, indrindra, ho an’ny mpiasam-panjakàna. Tena manana andraikitra lehibe koa tsinona ny mpiasam-panjakàna amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Tsy afaka hampandroso mihitsy ny mpitondra tsy mari-toerana toy ireny hoe nisy lamosina nametraka azy na tongatonga ho azy teo ireny. Omeo toerana, noho izany, ny mpiasam-panjakàna tsy mitanila. Antso no atao amin’ny mpiasam-panjakàna hoe mandalo kihon-dalana ankehitriny i Madagasikara. Tsy misy fanavaozana azo atao intsony raha tsy izao! Aoka isika hametraka tsy fitanilàna ka tsy hisy intsony ny hoe mpiasam-panjakàna manao propagandy atsy sy aroa! Rehefa hanao an’izay dia tokony mandray fepetra manokana mifanandrify aminy, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Nifarana ny fitsidihana ofisialy