ataon’ny Fitondrana Rajoelina amin’ireo tanora mpanao fihetsiketsehana, manao hetsika am-pilaminana,… Hamafisin’ny fihetsiky ny « forces » eny an-kianja ny fanapahan-kevitra sy baikon’i Andry Rajoelina raha nanendry Praiminisitra hamerina amin’ny laoniny ny filaminam-bahoaka na ROP (Rétablissement de l’Ordre Public). Sedra voalohany ho an’ny Praiminisitra Zafisambo Ruffin lehiben’ny EMMO-NAT ny omaly, ka nosantarina tamin’ny fandatsahan-dra sy famonoana vahoaka. Fandravana grevy, fandratrana tanora, fisamborana, herisetra tsy roa aman-tany,… no endrika isehoan’ny famerenana ny filaminam-bahoaka resahan’ny Fitondrana. Nahery vaika ny famonoana vahoaka teny Ambohidahy, Anosy, Mahamasina, Anosibe,... Raha nanatona saika hifampiresaka ireo tanora tetsy Anosy no nodarohana lakiromozenina manepotra sy mankarenin-tsofina, eny fa na ny mpanao gazety betsaka no teo am-panaovana « interview » no lasibatra, tsy nisy fampiomanana sy fampahafantarana na « sommation ». Sanatrian’ny vava natao toy ny alika ny nisambotra an’ilay tanora antsoina hoe Mikalo teo Anosy, nodarohana, nitsahiny ny lohany,… Tahaka izany ihany koa ny lehilahy iray notaritaritina toy ny biby teny Anosibe, nivoa-dra ny sofiny, navelan’ny «forces » rehefa hita fa tsy tompon’ny tenany intsony, ary tahaka ireny olona niala aina ireny, saingy voavonjy ihany izy rehefa nentina namonjy ny Hopitaly HJRA. Nolazaina fa mamo ka raha mamo dia tsy olombelona sy mendrika hanaovana habibiana tsy roa aman-tany ? Tsy mampihoatra ny miaramilam-panjakana intsony ny mamono sy mandatsa-dra mpiray tanindrazana mandeha amin’ny tanam-polo,... Hatramin’ny olona tsy manan-tsiny aza lasibatra, ka betsaka ireo maratra, nisy ny maty toy ilay zaza 1 volana teny Tanjombato,... fa tsy mampihetsi-bolomaso an-dRajoelina! Zava-doza ny entona manepotra sy tifitra basy, izay nampiasana bala tena izy, toy ny niantefa tamin’ny rindrina sy fitaritry ny Hopitaly Befelatanana. Betsaka ireo naratra, izay misy aza olona tsy mpanao fihetsiketsehana akory. Toerana saropady ny manodidina an’i Mahamasina sy Anosy, izay misy toeram-pitsaboana, misy marary maro tsaboina, saingy nodarohana lakrimozenina tsy nisy hantra, tonga hatrany anelakelantrano ny fanenjehana ireo olona tanam-polo, henjana ny fipoahana tsy an-kitsitsy, maro ny naratra toy ny vehivavy iray izay voa mafy teny Anosibe omaly,…
TSY MISY VIDINY NY AIN’OLONA
Tsy misy vidiny ny ain’olona fa izay maratra maratra, izay maty maty,… Endrika maneho sy manamafy ny tsy firaharahian’i Andry Rajoelina ny ain’olona, ka nilazany fa 12 ny maty fa tsy 22, ary ny ankamaroan’ireo maty dia mpandroba, toy ny tany Diego maokana dia nolazainy fa tratra ambodiomby teo am-pandrobana fivarotana firavaka. Ny depioten’i Diego no nanambara ofisialy ny fahadisoan’ny voalazan’i Andry Rajoelina. Ny herinandro lasa teo no nilazan-dRajoelina fa misy milisy mitam-piadiana any anaty vahoaka, omaly indray naparitaky ny mpanao seraseran’ny Fanjakana nilazana fa mikotrika faty olona ny fanoherana, mitondra zavatra mahafaty ka rehefa raikitra ny sakoroka dia izy ireo ihany no hampiasa azy,… Tena izay ve no marina sa efa fomba fiasan’ny volomboasary araka ny tenin’ingahy Georges Ruffin rain’ny Praiminisitra ankehitriny tamin’ny 2009 hoe : « tsy maintsy mitady accusation, ohatra hoe Ravalomanana mpamono olona, mihosin-drà » ? Na inona na inona, tsy dia misy vidiny sy tsy mahataitra an’i Andry Rajoelina izay milaza fa tsy tia seza fa noho ny irak’Andriamanitra ampanaovina azy no niverenany eto ny fisiana tanora maty, maratra,... noho hetraketraka ataony amin’ny alalan’ny baiko hamoritra vahoaka. Mihamafy ny herisetra, mihamafy ny krizy politika noho ny fitiavan-tseza sy fahefana. Andaniny, manamafy tanora fa hitohy ny hetsika ary tsy hihemotra hatramin’ny farany. Toa basy sy ra mandriaka sisa ianteheran-dRajoelina saingy haharitra mandra-pahoviana ? Tsy misy afaka mamerin-doha intsony fa miditra amina jadona tapitr’ohatra sy heloka bevava mikasika ny maha olombelona ?
Toky R
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena