airtel

Politique

05-déc-2024

Tosika propagadin’ny fitondrana

Raikitra indray ny fanabadoana vahoaka !

Sample post image

Toy ny tamin’ny fifidianana depiote, dia mijoro indray ny fihetsika tosika propagandin’ny Filoham-pirenena

05-déc-2024

ampifandrifiana amin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. Natombony omaly 4 desambra ilay lazaina fa tetikasa "Mifampitsimbina". Nambara ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina noho ny fiakaran'ny vidim-piainana, indrindra amin'izao fotoanan'ny maitso ahitra sy ankatoky ny fetin'ny noely. Natomboka teny amin’ny Faritra iva izay tena be mpifidy,4 teny amin’ny ANS Ampefiloha no nisantarana azy ho an’ireo mpisitraka avy amin’ny Boriboritany I sy Faha IV, ary nolazaina fa hitohy any amin’ny boriborintany hafa. Vary gony 1, menaka, ronono mandry, paty, sardine, siramamy, ary savony no norazaraina ka olona manodidina ny 7000 no nisitraka. Mbola ho voajono amin’izany ve ny vahoaka izay efa leo fahantrana ? Tokantrano miisa 18 000 eto Antananarivo renivohitra no nambara fa hisitraka ny tetikasa "Mifampitsimbina". Miharihary fa kajy politika vonjy tavanandro, ary anatin’ny politika sosialista tsy mahavita taona, fa hanjonoana vahoaka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana hatrany. Tamin’ny fifidianana depiote dia nampifandrifiana tamin’ny propagandy ny fitetezam-paritra nizarana zavatra toy ny jiron’akoho, dia io ihany koa fa mikopoaka mafy indray manao izay hanjonoana vahoaka amin’izao fifidianana ben’ny tanàna izao. Isan’ny hanaovana pimaso mafy Antananarivo, ka tany amin’ny aogositra sy septambra no nilazana, fa raha tokantrano 17 000 ny an’Antananarivo dia lasa 180 000 hatramin’ny 200 000 tokantrano hisitraka 200 000 na 250 000Ar tsy indray mandray akory. Dia ireny iaraha-mahita ireny ny filaharana etsy sy eroa hisitrahana ilay fanampiana toa 100 000Ar monja. Tsy volan’ny fitondrana na volan’ny TGV fa volan’ny Mpiara-miombon’antoka dia ny Banky Iraisam-pirenena saingy toa lasa mivadika fampalazana antoko. Miharihary fa mahantra sy fadiranovana ny Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana ka ezahana fitahina sy jonoina mora foana rehefa fifidianana. Tena io ve no tadiavin’ny vahoaka sa vahaolana maharitra toy ny : famoronan’asa, fananan’asa, fahafaha-mamokatra, fampiakarana ny fahefa-mividy, fifehezana ny vidim-piainana… Hanaovana pimaso mafy Antananarivo, ka nilazana tapa-bolana mahery kely izay fa rehefa avy any Toamasina dia hojerena sy hamboarina daholo ireo làlana simba, tsy hasiana lavaka,… Hatramin’ny train urbain izay efa hatry ny ela no nolazaina handeha aza toa efa nandeha indray ny fihetsiketsehana ny fiandohan’ny herinandro teo ka asa hahetsika hanenjehana propagandy ihany koa ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap