Mihamafy ny ady ara-tserasera na « guerre de communication » manodidina ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manao ranolava ny fanaratsiana avo lenta na «campagne de diabolisation » mahazo ny Fitondram-panjakana indrindra fa ny Filoha Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael, na teo aza ny fampahatsiahivany fa tena manome fahalalana ny fitondram-panjakana, saingy tsy tokony ho adino, fa misy ny lalàna, toy amin’ny lafiny heloka an’habaka. Misy ny fanehoan-kevitra, ny tsikera mivaivay, fanintsiana,… izay fanao satria isan’ny nitolomana teto rahateo ny fahalalahana. Miharihary ihany koa anefa ny endrika gaboraraka. Vao misy hirika hahafahana mamely ny Fitondrana, dia tena haingana be ny fanaratsiana, fanosoram-potaka,… Betsaka ihany koa anefa andaniny ny mety ho endrika fitavozavozana ara-tserasera, misy ireo fanehoan-kevitra na fanazavana tsy maharesy lahatra na tsy ampy ka lasa manome bala ny fanoherana,… Hatramin’izao ohatra, raha ny fahalalana azy dia tsy misy Talen’ny Serasera ny Fiadidian’ny Repoblika, ka ny Mpitondra tenin’ny governemanta no zary lasa manao asana mpamono afo etsy sy eroa, saingy hita ny lesoka, raha raisina amin’ireo tsikera maro be. Betsaka ireo toe-draharaha sy toe-javatra lasa misy mandrirotra amin’izay mahamety azy noho ny mety fiheveran’ny Fanjakana fa tsy mila fanazavana na tsy maika ny fampahafantarana azy amin’ny vahoaka noho ny maha stratejika na mety ho tsiambaratelom-panjakana mihitsy raha tsy hilaza afatsy io dian’ny Filoham-panjakana tany Dubaï io. Mihamafy ny fitadiavana hirika hamelezana ny Fanjakana, ary misy hatramin’ireo vondron’olona na fikambanana mety nanohana tany am-boalohany no lasa mamely Fanjakana noho ny antony maro, toy ny fahadisoam-panantenana noho ny tsy fahazoana toerana. Ao ny manao politika mivoaka-miditra noho ny mety resaka tombotsoa politika. Tsy mora ny mitantana Firenena, ary mety henjana ny fandaminana sy fitadiavana vokatra anatin’ny 2 volana izany, ka miezaka amin’ny fomba rehetra handavoana ny Fitondrana amin’ny alalan’ny fanararaotana ireo fahalemena sy lesoka samihafa ireo tsy maty voalavo an-kibo satria na tiana na tsy tiana dia misy ireo mahatsiaro ho voatohintohina tombotsoa na politika na toekarena na lafin-javatra hafa noho ny fiovam-pitondrana sy finiavana hitondra fanavaozana sy fanovana, izay na tiana na tsy tiana dia efa misy kosa ny hita taratra. Na izany aza, mila ezaka ny Fitondram-panjakana haneho mangarahara sy hanaporofo fa mizotra makany amin’ny fanovana sy fiovana tokoa isika.
Toky R