amin'ny alalan'ny Firsarana manetriketrika ny valim-pifidianana eto Antananarivo, araka ny fampahafantarana nataon'io Sampam-pitsarana io. Efa fantampatatra ny vokany satria nolavina avokoa ny fitorian'ny kandida miisa 3 mitaky ny fanintsanana ny Kandidan'ny IRMAR Rtoa Harilala Ramanantsoa. Ity kandidan'ny IRMAR izay nilaza ampahibemaso fa kandidam-panjakana sy mafy be ary tompon'ny tanàna ity ihany no nahazo rariny teo anivon'ny Fitsarana tamin'ny alalan'ny fanafoanana voka-pifidianana teny amin'ny EPP Antsahabe. Raha ny lalàna, mbola afaka mampiakatra ny raharaha amin'ny Filankevi-panjakana ireo izay tsy afa-po tamin'ny didy mikasika ireo fitoriana sy ny voka-pifidianana saingy tsy dia antenaina firy. Mety haharitra an-taonany. Hatreto aloha izany, na inona na inona hosoka, na inona na inona lalao maloto ara-pifidianana, na inona na inona porofo nohamarinin'ny vadin-tsany,... dia sarotra ho an'ny mpanohitra ny hahazo rariny ara-pifidianana. Tsikaritra io tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018, ny 2023 izay nandeha ila, ny fifidianana ben'ny tanàna tamin'ity. Saika nampiasa mpahay lalàna na Vondrona mpahay lalàna anefa ireo kandida, ka ireny ve no tsy mahafehy lalàna ka tsy mahomby hatrany ny fitoriana sa Fitsarana ny fifidianana mihitsy no tsy miorina amin'ny lalàna sy ny rariny ary ny hintsiny fa ny politika no mibahana sy mibaiko ? Hikatona anio ny pejy mikasika ny fifidianana teto an-drenivohitra fa hampilamina sa vao mainka handrehitra afo politika sy handavaka ny efa lavaka mangitsokitsoky ny lonilony? Miharihary aloha fa mihasarotra ny fisian'ny fifandimbiasam-pahefana demokratika fa toa sarintsarim-pifidianana baikoan'ny fahefana sy ny vola. Andrasana izay hataon'ny Etamazaoro politikan'ny mpanohitra eo anatrehan'ny zava-misy hoe: mbola hanaiky sy hipetra-potsiny ve eo anatrehan'izao? Tena hanaiky sy mibaboka eo anatrehan'ny fihantsiana ataon'ny mpitondra toy ny hoe: tsy manana vahoaka ianareo, tsy maharesy miaramila,...? Inona no endrika hanehoan'ny mpanohitra fa tsy malemy sy afaka mamadika ny rasa?
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia