Namory ireo mpanao politika maro isan-tsokajiny tetsy amin'ny Le pavé Antaninarenina omaly ny von-dron'Ampandrana. Fihaonamben'ny mpisehatra sy antoko politika no anarana nampitondrainy ny hetsika hahafahana mitady vahaolana ho an'ny firenena amin'izao kijon-dalana lalovany izao. Tsapan'izy ireo mantsy fa anisan'ny fototry ny olana eto amin'ny tany sy ny Firenena ny rafitra napetraka sy hiainana ary hitondrana ny Firenena hatramin'izao, raha araka ny fanazavan-dRamanjatojaona Sitraka, Filoha lefitry ny vondron'Ampandrana. Maika araka izany hoy izy ny fikaonan-doha tanterahin'ireo mpanao politika hamoahana hevitra iraisana ka anisan'ny hodinihina ny hoe : inona no tokony hatao indrindra amin'izao fidirana tanteraka ao anatin'ny fanavaozana izao, aiza ny lalana hitondrana sy hitantana an'i Madagasika-ra....Tanjon'ny vondron'Ampandrana ny hampitovy ny fomba fijeren'ny rehetra ka hisy ny hevitra tapaka iraisan'ny mpanao politika. Nomarihiny manokana.moa fa tsy adinon'izy ireo omaly ny nanadihady mikasika ny antony mahatonga ny firenena tsy mety tafavoaka anaty fahasahiranana tahaka izao. Mpanao politika am-polony maro no tonga tetsy amin'ny Le pavé Antaninarenina omaly.
Pati
Légende : Ramanjatojaona Sitraka, filoha lefitry ny VondronAmpandrana !