airtel

Politique

03-févr-2026

Zaza Ramandimbiarison

«Ny marina tsy mandresy andro iray,

Sample post image

fa mandresy mandrakizay»

03-févr-2026

Antoko politika be loatra fa ny politika tena manompo ny tombontsoan’ny malagasy kosa kely loatra, na indraindray tsy hita mihitsy. Zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao izany, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Eto Madagasikara, hoy izy, ny fitombon’ny isan’ny antoko politika dia matetika aseho ho mariky ny demokrasia nefa amin’ny zava-misy tena izy dia maro amin’ireo antoko ireo no mifantoka eto an-drenivohitra na tanàn-dehibe iray monja ary tsy mahavita mamoaka hevitra mazava sy mahasoa ho an’ny firenena. Ankehitriny, misy antoko politika an-jatony voasoratra ara-dalàna saingy vitsy dia vitsy no manana hevitra mazava, praograma voarafitra, fototra ara-tsosialy sy rafitra tena miasa any amin’ny faritra. Ho an’ny maro, ny antoko politika dia lasa fitaovana hahazoana toerana sy fahefana manokana fa tsy sehatra hifanakalo hevitra, hianarana ary hanompoana ny vahoaka. Izany toe-javatra izany dia manamafy ny fahalemena eo amin’ny demokrasia. Very hevitra ny malagasy olompirenena ary matetika ny safidy politika dia tsy mifototra amin’ny praograma fa amin’ny olona, ny vola na fampanantenana vetivety fotsiny. Malemy ny adihevitra ho an’ny daholobe ary lasa fifanarahana sy paikady vonjimaika ho an’ny tombontsoa manokana no manjaka. Ho an’ny firenena sy ny fanjakana, io fizarazarana tafahoatra io dia manakana ny fipoiran’ny antoko politika matanjaka sy mendrika, mampiroborobo ny tsy fahamarinan-toerana, mampiroborobo ny fitiavan-tena sy ny tombontsoa manokana eo amin’ny mpanao politika ary mahatonga fitantanana mijery ny androany fotsiny ka matetika tsy mifandray amin’ny olana tena fototra sy lehibe tokony hatrehin’ny firenena. Zava-dehibe tokoa ny mihaino ny feon’ny maro sy ny hevitra samihafa fa mila fitsipika hentitra kosa mba hahatonga ireo hevitra ireo hivoaka ho tombontsoa iombonana fa tsy ho an’olona na vondrona vitsivitsy. Ny antoko politika iray dia tokony hanana sampana miorina sy miasa any amin’ny faritra maromaro, hanana mpikambana voamarina, hanana praograma mazava sy mikendry ny tombontsoan’ny maro, hanana fitantanana anatiny manaja ny soatoavina demokratika toy ny adihevitra, fampianarana, fifidianana mpitarika, fahamarinana ary mangarahara. Tokony hapetraka mazava ao anatin’ny lalàna fa ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakàna sy ny fahazoana miditra amin’ny haino aman-jery ho an’ny antoko politika dia ho azon’ireo antoko mahafeno ireo fepetra voalaza etsy ambony ihany. Tsy maintsy hatsangana sy hamafisina aloha ny antoko politika, amin’ny alalan’ny lalàna mazava sy mangarahara, vao afaka manohana sy manampy azy ireo ny fanjakana. Ny marina tsy mandresy andro iray, fa mandresy mandrakizay. Ny fanavaozana an’i Madagasikara dia tsy hoe hanampy antoko politika vaovao fa hanangana antoko politika vitsy kokoa nefa tsara kokoa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap