airtel

Sosialy

09-oct-2024

ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO

Nifanome tanana ny FOFIFA sy ny AFAFI SUD

Sample post image

Manjaka sy mahazo vahana tanteraka ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo mponina any amin’ny

09-oct-2024

Faritra Atsimon’ny Nosy efa an-taonany maro izao vokatry ny haintany. Ireo zaza amam-behivavy no tena mahita faisana amin’izany. Nanomboka ny taona 2020 dia nirotsaka nanampy azy ireo ny tetikasa Afafi Sud vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola ka faritra roa no voakasika dia ny Faritra Androy sy Anosy. Nisy araka izany ny fanofanana ireo mponina mikasika ireo fambolena azo hatao mandavan-taona sy mifanaraka amin’ny toetr’andro mba hampivoarana ny fiainan’ny mponina. Niaraha-niasa tamin’ny FOFIFA izany tamin’ny alalan’ny fifanentanana ireo masomboly ho an’ny Faritra Androy. Narahin’ny fametrahana ivon-toerana ho an’ny Reny sy zaza miisa 22 izany na ny CAEM ka ireo zaza enim-bolana hatramin’ny 24 volana no mahazo tombontsoa. Niarahana niasa tamin’ny ofisim-paritra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny CSB II indray ity farany. Mitontaly 151.500 ireo olona nahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa hatreto raha masomboly milanja 531,22 taonina nohatsaraina no efa azo vokarina any an-toerana. Raha araka ny vaovao azo moa dia nihatsara ny resaka fisakafoanan’ny ankizy latsaky ny 5 taona any an-toerana taorian’ny fanentanana ireo Reny sy ny fanomezana azy ireo ny koba aina nanomboka tamin’ny taona 2021.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharan’ireo zaza amam-behivavy any Atsimo rehefa hozaraina sakafo!
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap