nalain’olona maro an-kitsirano amin’izao ora izao (TTF: Omaly tokony tamin’ny 1 ora tolakandro teo). Nitondra vahoka be dia be, hoy izy, ireo olona milaza ho tompon’ny tany. Efa nandalo tao amin’ny tribonalin’Ambatondrazaka io ady tany io. Nisy didy nivoaka fa misy sazy miantona ho an’ireo mpanohitra milaza ho tompon’ny tany. Ny tany dia an’i Rakotondrazaka papako ary ny vary dia nambolen’ireo mpiara-miasa amin’ny papako. Mangataka aho tompoko hijery ary handray andraikitra akaiky ny faritra Alaotra Mangoro hamonjy sy hijery akaiky izao tranga izao. Manao fandrahonana ho faty ireo olona ireo ary milaza koa fa tsy matahotra fanjakana izany. Miteny hoe alaivo sary mihitsy izahay fa tsy matahotra mihitsy, hoy hatrany ny antsoavo nataon’ity zanaka tantsaha ity.
J. Mirija