Lasa misy endrika fifandroritana ny mikasika ny « indemnité de logement » ho an’ny mpiasam-panjakana sy mpiasam-bahoaka, izay ny didim-panjakana laharana faha 2026-1476 tamin'ny 10 jona 2026, no mametraka ny sandan'io tambin-karama io ho eo anelanelan'ny 14 000 Ar sy 200 000 Ar, araka ny fanamafisana nataon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Nanazava ny Minisitra Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray omaly, fa ho an'ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay marihina fa manana fizakàn-tena ara-pitantanana sy ara-bola, dia ny rafitra mpanapa-kevitra (organe délibérant : conseil communal/municipal) no manapaka ny sandan'io tambin-karama io, izay miankina tanteraka amin'ny fahafahana ara-bolan'ny Faritra sy Kaominina tsirairay. Manome alalana ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana hampiakatra an'io tambin-karama io hatramin'ny 200 000 Ar, raha toa ka voafetra ho 14 000 Ar izany teo aloha. Misy kosa ny tenimita noraisin'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana izay manazava ny fombafomba fampiharana ny fandoavana an'izany tambinkarama izany. Tafiditra indrindra ao anatin'ny fanavaozana sy fanatsaràna ny fepetra hiasan'ny mpiasam-panjakana izao fanapahan-kevitra noraisin'ny Fitondram-panjakana izao hoy ny Minisitra, ary miroso hatrany ny asa mifandraika amin'ny fametrahana ny tena Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara, hoy ny filazam-baovao ofisialy Ao anatin’ny fampiharana an’io, dia mihatra avy hatrany ho an’ny mpiasa eny anivon’ny Vondrom-bahoaka, sivily sy miaramila, izay mandray ny karama mivantana avy amin’ny tetibolam-panjakana foibe, mihatra avy hatrany ny fisitrahana ny 200 000Ar manomboka ny volana jolay 2026. Misy fahasarotana kely kosa jo an’ny mpiasan’ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay iantonhan’ny Faritra sy Kaominina kosa ny karama. Atao mifanaraka amin’ny fitsipika voalazan’ny Lalampanorenana momba ny fitantanana malalaka sy ny fizakan-tena amin’ny fitantanam-draharaha sy ny fitantanan-bola. Eo ilay tsy maintsy ilàna fanapahana avy amin’ny rafitra mpanapa-kevitra (Filan-kevitra monisipaly/kaominina), na raha tsy misy dia ny fandraiketana izany anatin’ny teti-bola nasiam-panitsiana ary alefa amin’ny Solotenam-panjakana mahefa mba ho jotsirihana ny maha-ara-dalàna azy. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra dia tsy misy intsony ny « organe délibérante » dia ny mpanolotsaina taorian’ny fanafoanana ny fifidianan. Hita izany izao ilay lana efa navoitran’ireo mpanolotsaina monisipaly nahitana an’ireo mpanolotsaina miisa 8 teo nahitana an-dry Toavina Ralambomahay (filoha lefitry ny filankevitry ny Tanana Antananarivo teo aloha) sy ry Rolland Randriamahenina,… nilaza fa mandringa ny Kaominina raha tsy misy Filankevitra. Ny prefektiora no hanapaka an’io ? Ny PDS no hoporetina ao anatin’izany ?
MANOME 48 ORA IREO MPIASAN’NY KAOMININA
Namoaka fampahafantarana ireo mpiasan’ny kaominina, fa nisy ny fihaonana tamin’ny mpitantana, saingy tsy namokatra. Tsy nisy marimaritra iraisana mikasika ny fitakian’ny mpiasa ny « indemnité de logement » izay ambarany fa zony tikony hosirahana, mitentina 200 000Ar ho fampharana ny didim-panjakana 2026-1476 tamin'ny 10 jona 2026. « Omenay 48 ianao Atoa Filohan’ny Delegasionina manokana hamaliana izany fitakianay izany. Aorian’izay dia hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa ary hisy hetsika fitakianay manomboka ny 31 jolay 2026 ary tsy mifanarana izany raha tsy mivaly ny fitakianay », hoy ny mpiasan’ny kaominina.
Toky R