airtel

Sosialy

21-août-2026

AKOHO FAKANA NOFONY

Miaka-bidy isan'andro,

Sample post image

velon-taraina ny mpiompy

21-août-2026

Lasa miaka-bidy ny akoho fakana nofony na poulet de chair tato anatin'ny iray volana sy tapany teo ho eo izao. Raha niainga tamin'ny 4.000 Ar ny vidin'ny iray mbola kely teo aloha dia efa misy mahatratra 5.000 Ar amin'izao. 200 Ar isan-kerinandro eo ho eo io fiakaram-bidy io raha araka ny fitarainan'ireo mpiompy. Ny tena mampalahelo hoy ireto farany dia indraindray efa eo am-pakana ilay akoho ianao vao miteny ilay mpamatsy izany fa niakatra 200 Ar isanisany ny vidiny. Tsy afaka mihemotra intsony anefa ny tena hoy izy ireo satria efa nandoa vola avance 200.000 Ar raha kely. Manampy trotraka izany ny vidin'ny provandy iray kitapo 50 kg eo ho eo izay tsy maintsy aloha vola eo noho eo koa ho an'ny zanaka akohokely miisa 60. Fepetra takian'ireo mpamatsy akohokely fakana nofony amin'izao ity farany raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ireo mpiompy hatrany. Eo an-danin'izay anefa dia miaka-bidy koa ny provandy sakafon'izy ireny. Efa mahatratra 4.000 Ar ny iray kilao raha 3.800 Ar ny mora indrindra. Miantso ireo tompon'andraikitra voakasik'ity sehatry ny famatsiana akoho nofony eto amintsika ity noho izany ireo mpiompy mba hijery akaiky sy hanaraha-maso izany sao sanatria misy fanararaotana. Toraka izany koa ny provandy sakafon'izy ireny. Samy tsy misy fanazavana mazava avy amin'ny tompon'andraiki-tra avokoa ny anton'ireo fiakaram-bidin'ny akohokely sy provandy ireo hatreto.
Pati
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap
20-août-2026

Notolorana mari-piofanana ny tao amin’ny boriboritany IV

Card image cap