airtel

Sosialy

28-juil-2026

ALAKAMISY FENOARIVO

Hetsika maro no hiara-dàlana

Sample post image

amin’ny Foaraben’ny tantsaha

28-juil-2026

Hotanterahina manomboka rahampitso Alarobia 29 Jolay haharitra 5 andro ilay Foaraben'ny tantsaha karakarain'ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano. Nivoatra be izy io tsy tahaka ny isan-taona raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Rasolonirina Mendrika tamin'ny mpanao gazety omaly. Ankoatra ny fampirantiana ireo karazam-bokatra sy biby fiompy mampalaza ny kaominina Alakamisy Fenoarivo mantsy dia hiara-dalana amin'izany ny hetsika ara-pahasalamana toy ny fitiliana maimaim-poana ny aretina diabeta. Arahina fanomezana fanafody izany ho an'ireo mañana io toe-tena io. Toraka izany koa ny Salon de l'étudiant ho an'ireo ankizy sy tanora mpianatra. Marobe amin'ireto farany mantsy no tsy mba mañana fahafahana hijery sekoly hanohizany ny fianarany hany ka voatery mionona amin'izay misy fotsiny fa tsy afaka mivelatra. Vokatry ny ezaky ny kaominina avokoa no hahafahana manatontosa izany. Tsiahivina moa fa ho ravahana hiragasy ny hetsika hahafahana mampiala voly ny mponina. Trano eva an-jatony no hiara-handray anjara amin'izany.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety nokarakarain'ny Ben'ny tanana !
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Mbola 0,54% amin’ny PIB,

Card image cap
27-juil-2026

May kila forehitra ny tananan'Ambohimanana

Card image cap
27-juil-2026

Zazalahy kely miisa 80 no noforaina

Card image cap