airtel

Sosialy

03-févr-2025

AMBATOROKA AMBANY….

Fianakaviana an-jatony no dibo-drano tanteraka

Sample post image

Fianakaviana an-jatony no dibo-drano tanteraka tao amin’ireo Fokontany miisa 5

03-févr-2025

eto Antananarivo renivohitra nandritra ny ranon’orana ny Zoma alina lasa teo. Anisan’izany ny Fokontany Ambatoroka ambany, Amboara, Ambohidempona, Tsiadana, Ambomiandra ary Ambohipo. Vokatry ny fanampenan’ny tompon’ny tany iray eny an-toerana ny tata-drano no anisan’ny nanentsina ny fivoahan’ny rano tao amin’ireo Fokontany ireo raha araka ny fitarainan’ny mponina. Niainga teo amin’ny sampanana Ambohipo ny rano vokatr’izany, nitohy hatrany Ambatoroka ambany izay tonga hatreny an-dohalika mihitsy. Voatery nampiasa fitaovana fitrohana rano ny mponina vokatr’izany ka tsy mbola ritra izany tao anatin’ny adin’ny 2 ho an’ny Fokontany Ambatoroka ambany. Manahy mafy ny mety ho loza mety hahafaty olona aterak’ity fiangonan’ny rano ao amin’ny faritra misy azy ity ny mponina manerana ireo Fokontany miisa 5 ireo vokatr’izany. Na ny lalana handehanan’ireo mpianatra avy mianatra aza mantsy tsy misy intsony. Zakan’ilay rano hatreny an-dohalika rahateo ireto farany raha vantany vao avy ny orana koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony sy ny mpitondra fanjakana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny rano teny Ambatoroka ambany !

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap
11-juin-2025

Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association

Card image cap