Olona marefo miisa 300 no nahazo tohana sy fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny mponina ny faran'ny herinandro teo tany Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Zokiolona ny 170 isa tamin'izy ireo notolorana vary, menaka, voamaina, siramamy.... Nahazo fauteuil roulant na seza misy kodiarana sy tehina fotsy kosa ireo olona manana fahasembanana miisa 70 raha fitaovana toy ny milina fanjairana...miampy fiofanana maimaim-poana no azon'ireo fikambanam-behivavy miisa 60 ho tombontsoan'ny mpikambana. Izany ezaka izany dia taratry ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana hanatanteraka ny vina sosialy napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Rajaonarison Mamitiana. Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Rtoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana toy ny lehiben'ny Faritra. Nambaran'ity farany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa tsy fanaka malemy akory ny vehivavy fa tena solika mampiodina ny tokantrano mihitsy. Rariny araka izany raha tohanana sy ampiana izy ireny mba hanana fahaleovan-tena ara-bola tanteraka hahafahany miahy ny ankohonany.
Nangonin'i Pati
Légende : Ny Ministry ny Mponina Rakotoniaina Voahanginirina nisolo tena ny Fitondram-panjakana tany an-toerana !
Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA