airtel

Sosialy

24-août-2026

Fampisitrahana

rano fisotro madio

Sample post image

Tokantrano 10 000 eto Iarivo no

24-août-2026

hisitraka ny dingana voalohany
Niroso tamin’ny fidinana teny amin’ny Fokontany Tanjombato Iraitsimivaky sy Ankorondrano ny tompon’andraikitra sy teknisianina avy amin’ny PAAEP (Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable) ny sabotsy 22 aogositra teo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fampidirana rano fisotro madio ao an-tokantrano amin’ny sarany mirary izany. Tanjona ny fampahafantarana sy fanentanana ny mponina mba hahafahan’ireo tokantrano liana mahafantatra ny fepetra teknika sy ny dingana arahina. Nisy fifanakalozana mivantana teo amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra ka nanazava amin’ny antsipiriany ny fomba fidirana amin’ny fandaharanasa. Aorian’izao dia hisy fanadihadiana hataon’ireo mpanatanteraka eny anivon’ireo fokontany voakasika hahafahana mamantatra ireo tokantrano mahafeno fepetra teknika. Ireo voafantina dia hampahafantarina amin’ny alalan’ny serasera ofisialy. Amin’ity dingana voalohany ity, fokontany 10 eto Antananarivo sy ny manodidina no hahazo tombontsoa: Ankadindratombo, Manarintsoa Atsinanana, Antetezanafovoany I, Faliarivo Ambanidia, Angarangarana, Anosibe Andrefana I, Ankerana Ankadindramamy ary Anosivavaka Ambohimanarina. Tokantrano 10 000 no hahazo rano fisotro madio amin’ity dingana voalohany ity. Ny tetikasa PAAEP dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola (MEF) sy ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola iraisam-pirenena vola hatramin’ny 400 tapitrisa dolara amerikana. 9 volana ny fahareran'ity dingana voalohany ity, ary mikendry ny hampisitraka rano fisotro madio amin’ny tokantrano 10 000 amin’ireo fokontany voakasika. Fanamby ny hanatsara sy hanitatra ny tolotra rano fisotro madio ho an’ny olona mihoatra ny iray tapitrisa eto Antananarivo sy tanàna maro hafa. Tafiditra ao anatin’ny politika nasionaly mikendry ny fahazoan’ny rehetra rano fisotro madio alohan’ny taona 2030 izany, mifanaraka amin’ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD 6. Ny tetikasa dia ahitana fanavaozana ny fotodrafitrasa, fanamafisana ny tambajotra, fanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa, fanitsiana ny fifandraisana ara-teknika ary fanoloana ireo fitaovana efa tonta. Ny fandaharanasa “Branchements promotionnels” dia tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny JIRAMA, ary mikendry indrindra ireo fokontany marefo izay efa manana fotodrafitrasa ahafahana manao fifandraisana vaovao amin’ny tambajotra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

nahazo tohana sy fanampiana

Card image cap
21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap