paompin-drano fisotro madio farany izy ireo vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny UNICEF. Nisedra olana anefa ny foto-drafitrasa noho ny haintany sy ny hasarotan’ny fitarihin-drano ka voatery niverina naka rano tany anaty vovo ireo mponina tao amin’ny sektera II. Efa 12 volana ny nijaliana rano araka izany ny mponina antony nanavaozana ity paompin-drano ity. Ny kaominina iray manontolo notarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina no nanamboatra sy nanavao izany iray manontolo izay ho afaka hamatsy mponina an-jatony. Na izany aza tsy maimaim-poana ny fakana ny rano. Hisy vola tsy maintsy hoalohan’ny isan-tokantrano mantsy ho fandraisana anjara amin’ny fikojakojana izany sy ho fanakaramana ny olona hiambina ny paompy. Navadika ho paompy tanana moa izany. Ankoatra ity paompy ity dia notoloran’ny Ben’ny tanàna lelavola 3 hetsy Ar ihany koa ireo zatovolahy mpanao baolina ao amin’ity Fokontany ity hividianany baolina sy maillot.
Pati
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,