airtel

Sosialy

14-sept-2026

Ambohidratrimo

Zaza 3 taona maty

Sample post image

notorahin-dRainy tamin’ny biriky

14-sept-2026

Zava-doza no nitranga teny Ambohidratrimo teny andro maromaro lasa izay. Mamo i Baba, ilay Raim-pianakaviana ny 05 Septambra lasa teo. Tsy nahazaka ny alikaola nosotroiny izy ka nila ady tamin'ny vadiny . Tetsy andaniny, tsy nananany hantra koa ireo fitaovan-dakozia sy kojakoja samihafa tao an-tranony fa tapitra nopotehiny avokoa.Noraisin-dRtoa ny zanany vavikely ary lasa izy mianaka nivoaka niantso vonjy tamin'ny mpiara-monina. Nahita azy mianaka nivoaka ny trano ilay raim-pianakaviana mamo ka nandray tapa-biriky ary nitoraka azy mianaka avy hatrany. Vokany teo amin’ny handrin’ilay zanany vavy kely vao 3 taona monja no niantefan'ilay biriky. Naratra mafy noho izany ilay zaza ka nentin'ny fianakaviana haingana namonjy Hopitaly tao Ambovo/Ambohidratrimo. Tsy vita tao anefa ny fitsaboana ka nentina namonjy nh Hopitaly lehibe CHUJRA etsy Ampefiloha. Nanao ny fomba rehetra ny mpitsabo saingy tsy tana ny ain'ilay zaza ny 06 Septambra lasa teo tokony hl amin'ny 10 ora alina. Nametraka fitoriana teny anivon'ny Borigadin'ny Zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo noho izany ny fianakaviana ka nosamborina ilay ray nahavanon-doza. Mpitaona biriky moa no asany ary ao Ambatomainty, kaominina ambanivohitr’ Iarinarivo Distrikan’ Ambohidratrimo izy no mipetraka. Natolotra ny fitsarana ny tenany taorian'ny famotorana ary notanana am-ponja vonjimaika miandry fotoam-pitsarana azy. Gadra an-taonany maro no miandry ity Raim-pianakaviana ity. Ankoatra ny maha-mpamono olona azy mantsy dia antony hanenjehan’ny lalana azy koa ny tsy fahaizany miaro ny zanany
Nangonin’i Pati

 

Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana nahavanon-doza !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

Notokanan’ny Fondation AXIAN NY

Card image cap
17-sept-2026

Tsy vao sambany ny tranga

Card image cap