airtel

Sosialy

11-mars-2024

Ambohimanarina

Natomboka ny asa sosialy 2 sosona tohanan’ny depiote Todisoa

Sample post image

Asa sosialy 2 sosona no nataon’ny depiote Todisoa Andriamampandry

11-mars-2024

ny sabotsy lasa teo teny Ambohimanarina. Nanokatra ny andiany faha-5 amin’ny fampiofanana natokana ho fikarakarana, fitsaboana ary fitaizana ireo zokiolona (soins et assistance aux personnes âgées). Natomboka ihany koa ny fampiofanana maimaimpoana ny teny « Allemand » raha toa, ka herinandro nialoha io no nisokatra ihany koa ny fampiofanana teny anglisy, izay samy maimaimpoana avokoa, mba ho tan-tsoroka ho an’ny tanora. Amin’ny maha Ray aman-dReny mpiahy sy mpanohana dia nanampy ary nitondra hafatra ho an’ireo mpiofana izay tonga maro be niarahana tamin’ny Team bien être sy ny fikambanana Ny Andraina ity depiote ity, izay nanamarika fa “tsy misy manana ny ampy fa sambatra zay mifanampy”. Nandritra io moa no nilazan’ny mpampiofana, fa marefo ny zokiolona ka mila fitaizana sy fikarakarana manokana. Sarotra kokoa, ary tsy ny rehetra no afaka manao izany. Miova araka ny vanim-potoana iainany ny toe-tsainy sy ny fahasalamany, ka mila fandraisana an-tànana manokana. Mila fanohanana ara-tsaina, ara-tsakafo,… izay misy lamina sy fahaiza-manao manokana. Nanipika kosa ny depiote Todisoa Andriamampandry, fa somary voakitikitika ny zokiolona ao anatin’ny fiainam-piarahamonina amin’izao fotoana izao. Tsy teo anefa isika rehetra raha tsy teo izy ireny. Mandeha ny taona, miha osa izy ireny, kanefa mandeha ny fanilikilihana, ka anton’izany itony fiofanana itony mba hahafahana mandray an-tànana azy, hanohanana azy ara-tsaina, ara-panahy. Isan’ny olona tena tadiavin’ny any Eoropa ireo mpiasa afaka mandray an-tànana ireo zokiolona, ka làlana misokatra ho an’ireo maniry ny hiasa amin’izany sehatra izany ny fiofanana taka itony, raha ny fanamarihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique