Alatsinainy dia ny filatsaky ny havandra mahery vaika kosa no tena nampitaraina mafy ireo mponina tao amin’ny Fokontany Ambohimitsara, kaominina sy distrikan’Ambatolampy. Tsy nijanona ho ranon’orana fotsiny mantsy izany fa niampy havandra vaventy, nanomboka tamin’ny 02 ora sy sasany folakandro. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nahatratra 20 ha ny fambolena potika tanteraka, nandanian’ireo tantsaha mpamokatra ny herim-pony sy ny volany nandritra ny volana maromaro. Na izany aza tsy nisy aina nafoy na ny naratra. Mba tsy nisy ihany koa ny biby fiompy maty. Mangataka tohana avy amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo tantsaha mpamokatra ireo mba hahafahany manarina ny asa fihariany. Ho an’ny zandarimariam-pirenena manokana dia nanentana ny amin’ny tokony hanajana ny fady izy ireo. Rehefa avy tahaka izao mantsy ny orana hoy hatrany izy ireo dia betsaka ireo zavatra tsy azo hatao, indrindra fa ny eny ambanivohitra saingy mbola betsaka ireo tsy mino izany ka lasa manaotao foana.
Pati
Legende : Havandrabe tahaka izao ny tany amin’iny faritra Ambatolampy iny afak’omaly !
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !