Hisy fikorontanana amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny faritra sasany eto Antananarivo mandritra ny andro maromaro ho avy izao. Voakasik’izany ny eny Anosizato hatrany Soavinandriana, Itaosy sy ny manodidina, Talatamaty, Ambohimanarina, ary Ambodimita, hoy io orinasam-panjakana io. Araka ny fanazavan’ny Jirama, fahasimban’ny vata mpanova herinaratra manana tanjaka 25 MVA eny amin’ny sous-station Tana Sud Anosizato no anton’izany olana izany. Tsy maintsy entina eny Ambodivona io fitaovana io, ka haharitra eo amin’ny 15 andro eo ho eo ny fanamboarana azy. Mandritra izany fotoana izany, mety hisy fahatapahana herinaratra miverimberina, mifandimby, na maharitra amin’ireo faritra voakasika, hoy hatrany ny Jirama. Isan’andro efa olana sy fikorontanana, saingy mbola hihamafy ao anatin’ny 15 andro. Asa rahoviana vao tsy hisy fitanisana olana mandavan-taona ? Mbola mitoetra hatrany ilay fanontaniana nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny 2018 : tsy misy intsony ve ny delestazy ?
Toky R
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,
Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny
Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association