Mbola tsy hita taratra loatra ny fanajana ny zon'olombelona sy ny zon'ny vehivavy any amin'ny distrikan'i Vangaindrano. Mbola betsaka ireo zaza tsy mandia ny varavaran-tsekoly, manjaka ny tsy fandriampa-halemana, ratsy ny lalana tsy hahafahana mivoatra amin'ny fiainana, tsy misy ny rano fisotro madio sy ny sakafo ara-pahasalamana. Nandritra ny fidinana ifotony nataon'ny fikambanana “FACHA na ny Femme Antesaka pour le Changement” tany an-toerana no nahafantarana izany. Raha tsiahivina dia fikambanana misehatra amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fisitrahan’ny rehetra ny zon’olombelona, ny fanohanana ary ny fampivoarana ny FACHA. Nanomboka ny volana Jolay lasa teo izy ireo no nidina tany amin'ity distrika ity ka hatramin'izao volana Aogositra izao. Nifanatona tamin’ireo vehivavy sy fikambanam-behivavy eny anivon'ny tontolo ambanivohitra ny FACHA, notarihin’ny filohany Rtoa Déborah Tselany nanontany sy nanadihady ny tena hetahetan'izy ireo. Nisy ny fifampizarana sy fampahafantarana momba ny zon’ny vehivavy, ary fanohanana ireo fikambanana nandritra izany. Tsy adino ireo Renim-pianakaviana. Ho fanamafisana ny fahafahan’ny Reny misitraka ny zo fototra hahazo fahasalamana, dia nanolotra “thermos” sy zinga ho an’ny “maternité” ao amin’ny hôpitalim-panjakana ao Vangaindranl ihany koa ny FACHA. Niara-niasa tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Vangaindrano, tamin’ny atrikasa momba ny ady amin’ny famarinana olombelona koa izy ireo, hetsika izay natao ny 30 Jolay lasa teo, sady andro Iraisam-pirenena hiadiana amin’izany. Manoloana ireo zava-misy hita teny ifotony dia manao antso avo ho amin’ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana ny FACHA. Miantso fandraisana andraikitra koa izy ireo mba hanamafisana ny fanajana ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy, ary hizorana ho amin’ny fanavaozana tena izy.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny FACHA !
Notolorana mari-piofanana ny tao amin’ny boriboritany IV