airtel

Sosialy

21-août-2026

RABETSY,

mpivarotra lasopy mandende

Sample post image

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

21-août-2026

Mivarotra lasopy mitety tanàna no asan'i RICHARD na Rabetsy no ahafantaran'ny maro izy.4 taona izao no nanaovan'i Rabetsy ity asa ity, noho ny fahasarotan'ny fitadiavana asa no nanosika azy nivarotra raha araka ny filazany. Anisan'ny itiavan'ny olona ny lasopy amidin'i Rabetsy ny tsirony izy tena tsara satria tokoa moa dia nianatra nanao sakafo mihitsy izy vao nivarotra, eo ihany koa ny vidiny izay mirary fa indrindra ny fahadiovana izay tena zava-dehibe tokoa hoan'ny sakafo. Ny hafatro hoy Rabetsy dia ataovy tsara ny asanao fa tsy asa tsy mahavelona izany rehefa atao tsara.

TSARA KANEFA TSY LAFO
Ankadimbahoka, Gare routière fasan'ny karana, Soanierana no toerana fivarotan'i Rabetsy ary vao maraina mbola maizina izy dia efa tazana eny .Maro mpitia ny lasopiny, tsy mifidy saranga fa na mpivarotra voanjo na talehana orinasa dia samy mifandrombaka azy avokoa. Itiavan'ny olona ny lasopy amidin-dRabetsy ny tsirony izy tena mafilotra satria dia nianatra nanao sakafo mihitsy izy vao nivarotra, eo ihany koa ny vidiny izay mirary fa indrindra ny fahadiovana izay tena zava-dehibe tokoa hoan'ny sakafo. Tahaka ny asa rehetra dia misy ny fahasarotany sy ny manahirana amin'ilay mivarotra lasopy mandende hoy i raBetsy .Mahavelona tsara ity asa ity hoy Rabetsy satria tena hita mivaingana tokoa ny tombony azo avy aminy.
Nangonin’i Valisoa
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap
20-août-2026

Notolorana mari-piofanana ny tao amin’ny boriboritany IV

Card image cap