airtel

Sosialy

19-nov-2024

AMBOHITSABO ANDREFANA, TOLIARA

Mihasarotra ny fahazoana rano fisotro madio

Sample post image

Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.

19-nov-2024

Voakasik’izany ny ao amin’ny Fokontany Ambohitsabo Andrefana Kaomina ambonivohitr’i Toliara raha araka ny fitarainan’ny mponina . Misy ihany mpaompin-drano fa sahirana vao mahafeno bidon miisa 3 ny olona ao anatin'ny ora iray . Manomboka amin'ny 8 ora alina ka hatramin'ny 5 ora maraina ihany vao mba mandeha mafy ny rano fa ny ankoatra izay dia zara raha misy mitete. Voatery maka rano any amin’ny vovon-drano ny mponina vokatr’izany. Efa miharitra ihany koa anefa ny ankamaroan’ireto farany ka mila tsy haharaka intsony. Mivadika ho mena ny lokon’ny no sady misy fofona ka ahiana amin’ny fahasalamana.
Pati
Legende : Hifampitadiavanabe tahaka izao ny rano ao an-drenivohitr’i Toliara !
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap