Miteraka 4 na 5 isan’olona anefa izy ireny hany ka lasa manaotao foana mampihatra herisetra amin’izy ireny ny vady andefimandriny. Marobe ireo tsy manome vola vady aman-janaka intsony. Misy indray ireo manome saingy arahina latsa sy vava izany izay tonga hatrany amin’ny famonoana mihitsy. Manoloana izany dia nomen’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy fiofanana momba ny asa fanjairana akanjo izy ireo na ny coupe et couture. Tamin’ny alalan’ilay tetikasa Mionjo no nanatanterahana izany ka vehivavy miisa 25 no nahazo tombontsoa. Notolorana “machine à coudre" na milina fanjairana izy ireo taorian’ny fiofanana hoentiny manarina ny fiainany amin’ny andavanandro.Tsy ho vesatry ny fiaraha-monina intsony araka izany ireto vehivavy ireto no sady hisy lanjany amin’ireo vady andefimandriny ihany koa ao anatin’ny tokantranony. Ilaina hatrany moa raha tsiahivina ny fifanampian’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny tokantrano hisorohana ireo karazana olana mety hitranga toy ny fikasihan-tanana, ny fanaovana teny mandratra.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ilay milina fanjairana
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.