airtel

Sosialy

28-déc-2022

Sosialy

Ampahateza Ambohipo Nampisavorovoro ny rano niloko manga

Sample post image

Rehefa natao ny fitsirihana tao amin’ny tranon’ny mpanakanto Mamibe, hoy ny fanazavana avy eo anivon’ny orinasa

28-déc-2022

Jiro sy rano malagasy na JIRAMA omaly manoloana ny fanelezan’ity mpanakanto ity fa miloko mangamanga ny ranon’ny JIRAMA eny amin-drizareo eny Ampahateza Ambohipo, dia tahaka izao ny zava-nitranga, trano lehibe iray misy rihana miisa 3 no misy azy ka izy no aty amin’ny farany ambany. Mampiasa irony fitaovana fanadiovana lavapiringa izay alefa ao anaty « chasse d’eau » antsoina hoe « bloc chasse d’eau » na « eau bleu » irony ny tokantrano ao amin’ny rihana voalohany amin’ny ilany havanana. Rehefa natao ny fitsirihana ny fantsona rehetra ampiasain’izy ireo dia hita fa tsy manaraka ny fenitra izany. Ny rano ao anatin’io « chasse d’eau » io avy eo no miverina any anaty fantsona ary mahatonga ny rano ho lasa mangamanga. Na izany aza dia nanao fitsirihana ny fahadiovan’ny rano tamin’ny manodidina rehetra ireo teknisianin’ny laboratoaran'ny Jirama ka madio tsara ary tsy misy loko no sady tsy misy atahorana ny rano ampiasain’ny olona rehetra. Misy ny didim-panjakana na “décret” 2003-941 mamaritra ny fanaraha-maso ny rano. Ao amin'io ny kalitaon’ny rano fisotro madio. Amin'ny ankapobeny dia faritana amin'ny kalitao "physico-chimique" sy kalitao "bacteriologique" ny fahadiovan'ny rano. Ny rano vokarin'ny JIRAMA dia manaraka tanteraka ny fenitra voalazan'io “décret” io miala eny amin'ny tobim-pamokarana ary efa nasiana ny singa “chlore” ao anatiny mba ho voahaja hatrany amin'ny kaonteran' ny mpanjifa. Raha misy tranga mampiahiahy mahakasika ny kalitaon'ny rano dia entanina isika mpanjifa mba hampandre avy hatrany ny JIRAMA amin'ny alalan'ny 3547 mba hisorohana ny fikorontanan'ny saim-bahoaka sy ny fanohintohinana ny filaminana ihany koa amin’ny fizarana horonantsary any anaty tambazotran- tserasera. Entanina ihany koa isika mba hanara-maso tsara ny fametrahana na "installation" an'ny fantsona ao an-tokantranontsika mba tsy hidiran'ny singa ivelany ka hanova ny kalitaon'ny rano, hoy hatrany ny teo anivon’ny JIRAMA. Nampisavorovoro ny maro tokoa moa ity rano niloko manga ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap