tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Sosialy

andevozin'ny zava-mahadomelina Eny akaikina sekoly no midoroka

Lehilahy miisa 02, izay vao 26 sy 21 taona no saron’ny mpitandro ny filaminana nifoka rongony teny Ambohimanatrika ny 07 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 7ora hariva.

09-févr-2023

Sample post image

Raha tsiahivina kely dia naharay fitarainana ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’ny hafitsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny. Fantatra mantsy fa matetika loatra izany hany ka mitarika ireo zatovo hanaotao foana toy ny manolana sy mangalatra ary manakorontana fiaraha-monina. Tsy niandry ela moa ny tompon’andraikitra fa nandefa ireo polisy nisafo ilay toerana voalaza ka tratra tamin’izany izy roalahy ireto. Teo akaikin’ny EPP izy ireo no nanao izany izay mbola nahatrarana rongony rarany kely nandritra ny fisamborana. Efa nentina natao fanadihadiana moa izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Andavanandron’Antananarivo Jiro sy rano tsy tomombana, fifamoivoizana mitohana
08-juin-2023

Ny jiro sy rano, ny herinaratra sy ny rano moa izany no marimarina kokoa, efa tsy tomombana hatramin’izao,

Card image cap
Ambovombe Androy Maro ireo vehivavy tsy an’asa iharan’ny herisetra
08-juin-2023

Mbola marobe ireo vehivavy tsy an’asa ao Ambovombe Androy amin’izao.

Card image cap
Ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona
07-juin-2023

Hamory ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mediatiora

Card image cap
Andranopasy - Manja Zazakely roa maty nihinana trondro Fano
07-juin-2023

Zazakely roa vao 17 volana sy 6 volana no indray namoy ny ainy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andranopasy, distrikan’i Manja,

Voir plus