airtel

Sosialy

18-sept-2023

Andro maneran-tany ho an’ny fanadiovana

Namita ny adidiny ny mpiasan’ny Star

Sample post image

Dimy taona amin’ity taona ity no nanamarihan’ny orinasa STAR ny andro maneran-tany ho an’ny fanadiovana na « World Clean Up Day »,

18-sept-2023

izay marihina isaky ny datin’ny 16 septambra amin’ny alalan’ny tetikasa ho an’ny tontolo iainana Kopakelatra. Mpiasan’ny orinasa STAR tsy latsaky ny 800 isa no nanamarika izany nanerana ireo toerana misy masoivoho sy ny ozinina STAR rehetra manerana ny Nosy. Samy niandraikitra sy nanadio ny manodidina sy ny lalana ary toerana iraisan’ny daholobe araka izany ny orinasa tsirairay avy. Ankoatra ny fanangonana ireo tavoahangy plastika, izay tanjon’ny tetikasa Kopakelatra dia mikendry ihany koa ny fanentanana ny olona hanana fahazarana amin’ny fihetsika tsotra nefa misy akony manan-danja ho an’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina, izay mitondra any amin’ny fiovàna maharitra ny hetsika. Ho an’ireo toeram-piasàna teto Antananarivo manokana dia niara-natomboka ny hetsika fanadiovana, nisy ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny fokontany Ankazomanga Avaratra sy Ankorondrano Andrefana niarahan’ny foibe sy ny masoivoho Andranomahery. Ny fokontany Ankaraobato kosa no nifarimbona tamin’ny masoivoho tany Tanjombato. Ho an’ny ozinina Andranovelona dia ny mpiasan’ny ozinina rehetra sy ny mponina no niaraka nanadio ny tanàna manontolo.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fanadiovana notanterahin’ireo mpiasan’ny Star tamin’ny Sabotsy teo !

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap