Mitombo isa hatrany ireo ankizy miasa aman'olona eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Tokantrano 3 amin'ny 10 raha kely no manao izany ka saika milaza ireny ankizy ireny ho havany na fianakaviany avokoa ny tompon-trano. Ankizivavy kely ny ankamaroany ka ankoatra ny fiantsenana, ny fanadiovana trano, ny fitaizana dia manatitra sy maka mpianatra ihany koa izy ireny amin'ny fotoana fidiran'ny mpianatra....Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'i Lisy, ankizivavy kely 13 taona avy any ambanivohitr'i Faratsiho dia olona fantatr'ireo Ray aman-dReniny no nitondra azy niasa teto an-drenivohitra. 50.000 Ar isam-bolana ny karamany, manao ny asa rehetra. Mifoha amin'ny 05 ora maraina isan'andro, matory amin'ny 10 ora alina rehefa vita avokoa ny raharaha sy ny sasa lovia amin'ny hariva. 8 mianadahy izy ireo no iraitampo ka ny 5 efa miasa avokoa raha mbola eo an-kohonan-dRay aman-dReniny ny 3 ambiny. Ireo Ray aman-dReniny no nambarany fa mandray ny karamany isam-bolana mba hiveloman'izy ireo sy hanaovana asa fambolena any ambanivohitra. Tsy misy hafa amin'izany ireo ankizy mpangataka eto an-drenivohitra. Ny Ray aman-dReniny ihany koa no mitango ny vola azon'izy ireny amin'ny hariva ka tsy maintsy mitondra vola 5.000 Ar mody ny ankizy iray. Rehefa tsy mahazo vola amin'ny hataka tsotra izy ireny dia lasa mikarama mamafa na mañasa fiaran'olona indray sitrany ahay. Tsiahivina fa ny 30%-n'ireo mponina eto Madagasikara dia zaza sy ankizy avokoa. Ny 20% amin'izy ireo araka izany raha betsaka no mba miaina ara-dalana fa ny ankoatra izay dia tsy misy misitraka ny zony. Tsy mianatra, tsy misakafo sy mitafy ara-dalana, tsy mahazo fitsaboana sahaza azy raha sanatria ka marary....Antso avo araka izany no hatao amin'ny tompon'andraikitra mba hijery ireny ankizy tsy manan-tsiny eny anivon'ny fiaraha-monina miasa aman'olona sy mangataka ireny. Voararan'ny lalana tanteraka mantsy ny fampiasana zaza tsy ampy taona nefa tsy dia misy loatra ny fampiharana izany.
Pati
Légende : Anisan'ny asa hataon'ireo ankizy manganèse ny mañana fiaran'olona tahaka izao !