airtel

Sosialy

26-juil-2022

Sosialy

Antananarivo Niakatra ny ankamaroan’ny hofantrano

Sample post image

Tena mihalalina ny fahasahiram-bahoaka. Taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty mantsy dia nanararaotra nampiakatra ny hofantranony ihany koa ny ankamaroan’ny tompon-trano.

26-juil-2022

Raha 35.000 Ar izany teo aloha dia lasa 50.000 Ar ankehitriny izany hoe : 100 % latsaka eo ho eo ilay fiakarana. Raha araka ny fanazavan’ireo mpanofa trano maromaro sendra tafaresaka tamin’ny gazety Tia tanindrazana dia nambaran’izy ireo fa noho ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fanamboaran-drano toy ny simenitra izay efa lasa 40.000 Ar ny iray lasaka, ny vy…. no antony nanosika ireo tompon-trano hampiakatra ny hofantranony. Tsy moramora hoy hatrany ireo tompon-trano ny mikarakara sy namaboatra trano amin’izao rehefa simba. Raha tsiahivina ihany koa anefa dia midangana izaitsizy ny vidin-jiron’ny JIRAMA ka betsaka ireo miraviravy tanana tsy hahavita na inona na inona intsony. Tsy te-hahalala anefa ny tompon-trano fa tompon’andraikitra feno amin’izany ny mpanofa, indrindra raha tapaka ny jirony. Maro amin’ireo mponina ao anatin’ny faritr’Itaosy iny araka izany no voatery mitady trano ahofa moramora noho ny teo aloha. Raha 50.000 Ar izany teo aloha dia mitady 30.000 Ar amin’izao ny ankohonana iray na tanibe aza no ao anatiny vokatry ny fahasahiranana. Ahiana mafy araka izany ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy goavana raha mitohy izao fahasahiranam-bahoaka izao. Tsy vitsy ireo efa tazana mandeha mifindra trano mibata entana amin’izao, ankoatra ireo tonga manatevin-daharana etsy amin’ny La Réunion kely Ampefiloha.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap