airtel

Sosialy

04-avril-2023

Sosialy

Antoko Fanorolahy Ny famokaram-bary ihany no vahaolana amin’ny fahasahiranana

Sample post image

Misedra olana tanteraka ireo mponina eto amintsika noho ny fidangan’ny vidim-bary. Efa mahatratra 1.100 Ar ny iray kapoaka amin’ny vary gasy amin’izao eny an-tsena raha 800 Ar ny mora indrindra.

04-avril-2023

Tsy vitsy ireo zara fa misakafo noho izany. Indray mandeha isan’andro sisa raha betsaka no mihinana dia ny atoandro sy ny hariva ihany fa ny maraina dia efa kaontin’ny tsy misy. Manana vahaolana mifandraika amin’izany ny antoko politika Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Ny fitrandrahana ireo tany azo volena ihany hoy izy no hahafahana miady amin’izany. Tokony hovatsiana zezika sy fitaovana araka izany ny tantsaha mba ho afaka hamokatra hoy izy no sady hanana asa hatao mandavan-taona ihany koa fa tsy hirongatra hiakatra eto an-drenivohitra hivarotra eny amoron-dalana sanatria….Afaka mamatsy vary any ivelany tsara isika hoy izy raha tanteraka soa amantsara izany saingy ny olana dia ny fijerena ny tany mba tsy hangoronin’ireo mpanam-bola sy ny karazany. Ho an’ny antoko tarihiny manokana dia efa miroso amin’izany izy ireo ankehitriny ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : hamboly isika ka hamokatra. Misy ny fanentanana sy fampianarana hatao amin’ireo tantsaha noho izany hahafahana manatanteraka izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap