Musulmane de Madagascar etsy Andavamamba. Nankalaza io fety io izy ireo ny faran'ny herinandro teo izay nahatsiarovany manokana ny nanaovan'ny mpaminany Abrahama sorona ny zanany lahy Ismaela ho an'Andriamanitra. Hataon'ireo mpino Slamo maodely mandraka ankehitriny izany amin'ny alalan'ny fizarana ho an'ny hafa indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana. Omby miisa 29 no novonoin'izy ireo tamin'izany, notsinjaraina ho an'olona miisa 4000. Anisan'ny nahazo tombontsoa tamin'izany ireo mponina avy ao Anosipatrana, Anosibe, Andavamamba, 67 ha ...raha toraka izany koa ny tany amin'ny Faritany. Teny filamatry ny fikambanana moa ny hoe : fitiavana ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza ka nahafahany nizara izao fanampiana izao. Hena 02 kg isanisany teo no nozaraina tamin'izany, ampy niatrehan'ny isan-tokantrano ny Fetin'ny Pentekosta tsara. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo vahoaka marobe izany fanampiana izany. Mitohy hatrany ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona ho an'ity fikambanana iray ity.
Pati
Légende : Nisomebiseby tahaka izao ny mpizara !
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,