hisy làlam-piofanana iarahana amin’ny METFP
Niroso tamin’ny fanaovan-tsonia fifanarahana ny teo amin’ny METFP sy ny APEAM (Association Professionnelle des Entreprises d'Assurances à Madagascar), izay mikendry ny hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny fanofanana arak’asa sy ny filàn’ny tsenan’ny asa. Kasaina ny hamorona lalam-piofanana vaovao manokana ho an’ny sehatry ny fiantohana, hampifanaraka ny fandaharam-piofanana amin’ny filàn’ireo orinasa, ary hanamora ny fandraisan’ireo mpiofana fiofanana anaty orinasa sy ny fidirany amin’ny asa. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanofanana mpampiofana, ny fanomezana mari-pahaizana, ary ny fanomezan-danja ny traikefa efa ananan’ireo matihanina. Tanjona ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fanofanana sy ny fampivelarana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatry ny fiantohana. Tsiahivina fa eto Madagasikara, matetika ny fiantohana fiara no tonga ao an-tsaina, kanefa maro ny sehatra hafa mbola tsy dia fantatra ny besinimaro loatra. « Tsy misy ny « école d’assurance » eto, kanefa ny sehatra lehibe tokony hampahafantarina ny vahoaka ny fisiani’zany, ka raisin’ny APEAM ny fampiofanana ireo efa mpiara-miasa ao. Efa misy ny fampianarana ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny APEAM, fa mbola tsy ampy. », hoy ny Filohan’ny APEAM Atoa Nanjatoana Razakamanana. Hisy ny fampiofanana izay ataon’ny APEAM, hankatoavin’ny METFP. Tanjona ny fiaraha-misalahy amin’ny fananganana sekoly izay zava-dehibe ho an’ny hoavin’ny ankizy Malagasy. Eo amin’ny harin-karena faobe na ny PIB, nambarany fa mbola eo amin’ny 0,54 na 0,55% eo ny trano fiantohana, raha efa 13% ny banky miaraka amin’ny Microfinance efa 21%. Mbola taraiky ny fiantohana noho ny lafiny toekarena, ny tsy fahalalan’ny vahoaka ny ilàna ny fiantohana, ka anjaran’ny APEAM no mampahalala ny vahoaka an’izany amin’izao fotoana izao. Naneho kosa ny Minisitra Todisoa Andriamampandry fa mbola tsy nisy teo anivon’ny Minisitera ny fiaraha-miasa amin’ny tontolon’ny trano fiantohana. Tanjon’ny Minisitera amin’ny ankampobeny kosa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanofanana na amin’ny resaka fiantohana io, asa vaventy,… Mila tetika matipaika mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa. Anjaran’ny METFP ny mankatoa ny fanofanana mikasika ny resaka fiantohana, fa mila manaraka ny fenitra sy ny kalitao takiana. « Tena zava-dehibe io satria tsy ny resaka fiara ihany no mila fiahiana fa eo ny aina izay lahitokana, ary tsy misy miverina indroa eto, hoy hatrany ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Ny fiara moa no tena tsy maintsy na « obligatoire » amin’ny resaka fiantohana ; misy ny fiantohana tokony hatao sy tokony hositrahana na « assurance essentielle » toy ny « assurance vie », santé, retraite,… ary ny fahatelo ny fiantohana terena hatao na « imposé » toy ny findramam-bola amin’ny banky ohatra dia tereny ny mpindram-bola hanao « assurance vie » eo anatrehan’ny hoe sanatria maty,… Mbola misy hafa toy ny « assurance voyage » raha ho any ivelany,.. raha ny fanamarihan’ny Filohan’ny APEAM.
Toky R