tao Antsirabe ny CNaPS na Tahirim-bolam-panjakana hitsinjovana ny sosialim-bahoaka ny 20 oktobra teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nampahafantarina nandritr’izany ny stratejiam-pitantanana vaovaon’ny CNaPS ary narahana adihevitra lalina momba ireo toe-javatra heverina fa manan-danja ao anatin’izany fitantanana izany, hoy ny fanazavana. Isany ny mikasika ireo fepetra fototra, ny atao hoe orinasa tomponandraikitra sy miray hina, ny mikasika ny famerenana anaty tontolon’ny asa ireo manan-kilema, ny fahafaha-misitraka ny fiahiana sosialy ao amin’ny CNaPS. Heverin’ny CNaPS ho zava-dehibe ny anjara toeran’izany atao hoe DRH izany eo anivon’ny orinasa ka antony nanasoniavan’ny rafitra 2 tonta fifanarahana. Isany voarakitra anatin’izany ny mikasika ny fiahiana ny zon’ireo mpiasa eto Madagasikara, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampitoviana lenta ny mpiasa ao anatin’ny toeram-piasana misy azy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,