airtel

Sosialy

21-déc-2022

Sosialy

Dany Rakotoson “Mandainga izay tsy mahita hoe mafy ny fiainana eto”

Sample post image

Navesabesatra ny taona 2022, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, satria iarahantsika mahalala ny fiakaran’ny vidim-piainana. T

21-déc-2022

sy nahay naka fepetra mialoha isika ary io moa, hoy izy, ilay tsy mbola tonga tao amin’ny fitondram-panjakana mihitsy. Izay ilay hoe fahaizana mitsinjo no atao hoe mitantana. Efa tokony nivonona tamin’ny fiantraikan’ny COVID 19 isika tamin’iny 2022 iny dia manana fomba nahafahana nanarina ny famokarana amin’ny maha firenena tokony hifantoka amin’izany antsika. Ahoana ny famoronana asa, ny fampiasam-bola? Tokony nivononana izany saingy ny niseho dia lasa sahirana daholo ny malagasy rehetra tratran’izay sondro-bidim-piainana izay. Nidoka tena moa ny minisitra hoe voatazona ilay izy fa tadidio fa ny fanontaniana tena tokony hipetraka dia ny hoe mahazaka izay ve ilay enti-manana sy fahefa-mividin’ny olona? Marefo ny vahoaka malagasy ary iny taona 2022 iny tena mavesatra ho an’ny tokantrano tsirairay avy. Ohatran’ny tsy tonga saina isika hoe matoa nifidy olona hitantana dia mba hanamaizana izay fahavesarana izay. Toa nandiso fanantenana nefa ilay nofidiana. Mila fanjakana mahefa, vonona hanatsara ny fiainan’ny tsirairay nefa. Ny zava-misy izao dia manana ny fandresen-dahatra na “argument” rehetra ny mpanohitra hanenjehana sy tsy hanaovana fiatoana politika satria tsy manana izay fahavononana hanatsara fiainam-bahoaka izay ny fitondram-panjakana. Mamirifiry ny mahazo ny vahoaka ary mandainga izay milaza ho tsy mahita hoe mafy ny fiainana eto. Tsy misy ny vahaolana maharitra fa vonjitavanandro foana no hita hatramin’izay. Tsy misy ho antenaina loatra angamba raha ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Tsy hisy fahagagana io ka hoe hiova ao anatin’ny fotoana fohy izy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap