airtel

Sosialy

30-avril-2024

Sendikan’ny mpiasa

«Hafana ny 1 may amin’ity»

Sample post image

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

30-avril-2024

iraisampirenena ho an’ny asa na ny datin’ny 1 may. Sendika maro no nandray tao anatin’izany. Tsy misy izany hoe misy fotoana hahanginana ary misy fotoana hitenenana izany aty amin’ny fitarihana sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Maty ny mpiasa, hoy izy, raha vao mangina ny mpitarika sendika. Misy mpiasa tonga mitaraina foana isan’andro, manana olana. Misy hetsika atao mifanaraka amin’ny olana vahana foana isan’andro. 21 febroary dia efa nampiaka-peo ny Randrana sendikaly hoe hafana ny 1 may amin’ity taona ity noho ireo vary mangatsiaka be dia be tsy vita tamin’iny taona 2023 iny. Ny filoham-pirenena tsy niova. Ny praiminisitra tsy niova. Ny minisitra rahateo sady efa tao ihany na hoe «promotion interne» no sady sendikalista, izany hoe, heverina fa mahafehy tsara ilay tontolon’ny asa. Eto Madagasikara izao ny sekretera jeneralin’ny CSI Afrika. Isan’ny anton-diany ny hijery ny antsojay amin’ireo mpitarika sendika. Ao anatiny izany ny tenako, ry Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, ry Kamarady Sento, ry Gangstabab. Indrindra koa ireo delegen’ny mpiasa any anaty orinasa tsirairay. Aty amin’ny tontolon’ny asa izany no tena mipetraka izao ny hoe «Aty amintsika ny mason’izao tontolo izao!». Afaka 1 volana dia hoavy any Genève, Soisa, indray ny CIT na «conférence international du travail», izany hoe fihaonambe iraisampirenena momba ny asa. Tamin’ny herintaona izao nifanatrika na nanao «face à face» tamin’ny governemanta malagasy tany ny Randrana sendikaly rehefa tsy voavaha teto ny olana. Izay no ilazanay hoe hafana ny 1 may amin’ity, hoy hatrany ny sendika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap