ny teny Ambohipo indray no naneho ny hatezerany omaly takariva noho ny tsy fisian-drano. Nirohotra nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana teo amin'ny « 3 Chemins » ny vahoakan’Ambohipo noho ny fahatapahan-jiro diso tafahoatra. Tsy nisy afaka nandeha ny fiara sy ny karazam-pitaterana, fa dia nihitsoka teo. Nisy ihany ny mpitandro ny filaminana fa naka sisiny, hoy ny fanamarihana. Leo sy tofoka ny olona, ary tsy vao sambany no nisy fanairana tahaka izao, saingy mbola lavitry ny kitay angamba ny afo amin’ny famahana ny olam-bahoaka. Eo ny fizarana jiron’akoho mandeha amin’ny fokontany sasany eto Antananarivo, saingy tsy mahavaha ny olan’ny delestazy satria misy ny asa fivelomana mila izany, ny fitaovana any an-tokantrano dia tsy azo alefa amin’ireny ankamaroany,… Maneho ihany koa izao zavatra mitranga izao fa mahery vaika ny olana ara-tsosialy raha tsy hilaza afatsy io resaka jiro sy rano io. Manampy trotraka izany ny sondro-bidim-piainana andro aman’alina,… Matoa ny olona tonga amin’ny fanairana sy hetsika mahery vaika tahaka izao dia midika fa efa tsy afa-po intsony amin’ny valin-teny sy ny vahaolana aroson’ny mpitondra. Ny rano tsy mandeha, jiro tapaka, fako tsy voaroaka, vidim-piainana midangana,… Aiza ho aiza amin’izany ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !