airtel

Sosialy

03-févr-2023

Sosialy

Distrikan’i Marovoay Marobe ireo marary mila fitsaboana

Sample post image

Marobe ireo olona marary mila fitsaboana any amin’ny distrikan’i Marovoay taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso.

03-févr-2023

Lohalaharana amin’izany ireo lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ireo tratry ny tazo izay tsy hanavahana sokajin-taona. Izany indrindra no antony handalovan’ilay fitsaboana mitety vohitra any an-toerana izay efa nandray olona miisa 220 sahady omaly tontolo andro, miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy ny fanomezana fanafody mifandraika amin’izany moa dia fantatra ihany koa fa misy ny fitarafana ho an’ny vehivavy bevohoka, ny fitiliana ny aretina diabeta, ny fitiliana maso….Miisa 770 kosa ireo olona nozaraina koba aina sy sakafo mafana, hetsika niarahana tamin’ny fikambanana Fitia. Narahin’ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny ady hatao amin’ny herisetra niarahana tamin’ny fikambanana Fitia izany izay marihina fa misy sy mahazo vahana hatrany eto amintsika. Nentanina moa ireo mahatsiaro ny tenany ho lasibatra mba ho sahy hitoroka avy hatrany fa tsy sanatria hiafy hatrany ka mety hihafara amin’ny famonoana na famoizana ny aina mihitsy izany. Natoro azy ireo fa ankoatra ny herisetra ara-batana dia misy ihany koa ny herisetra ara-moraly sy ara-nofo ary ny ara-pivelomana. Miisa 3 moa raha tsiahivina ireo olona mbola tsy hita popoka any Marovoay raha mihoatra ny 2000 isa ireo traboina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap