airtel

Sosialy

21-août-2026

DOKERA

Mibata entana 500 kg

Sample post image

isan'andro raha kely

21-août-2026

Ny asana dokotera no anisan'ny asa mafy indrindra amin'ny ankapobeny. Ny aina mantsy no tena miasa sy mitontona amin'ny famitana ny asa ka arakaraky ny entana voabata mandritra ny tontolo andro ny vola ho entina mody. Mibata entana 500 kg isan'andro raha kely ny dokera iray etsy Anosibe. Raha tsy dia misy kosa ny entana hobataina dia mirotsaka amin'ny fitondrana entan'olona mamonjy taxibe...izy ireny. Anisan'izany ny voankazo amin'ny garaba, ny ovy amin'ny gony izay manomboka amin'ny 1.500 Ar ny mitondra azy. Ho an'ireo gony lehibe feno ovy hatrany amin'ny 150 kg dia 6.000 Ar eo ho eo no hitondran'izy ireo ny iray amin'izy ireny, mampiakatra hatrany anaty taxibe. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny dokera iray dia niainga tamin'ny fitondrana entan'olona no nahalasa dokera azy. Nitohy tamin'ny fibatana entana kelikely izany ary mandraka ankehitriny dia lasa fahazarany io. Marary raha vao mijanona tsy manao ilay asa hoy izy. Efa zatra mantsy ilay vatana. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa ny dokera koa no tena sarotra tsaboina indrindra rehefa marary. Mitaky avokoa mantsy ny havizanana mandritra ny volana maro ka any amin'ny sakafo no ezahina hamenoana sy hanarenana izany amin'ny andavanandro. Tsy maintsy manokana 2.000 Ar isan'andro raha kely ny dokera iray hisotroana ronono soja sy hihinanana yaourt kely. 5.000 Ar eo ho eo isan'andro no vola entin'ny dokera iray mody rehefa tsy misy entana. Mahatratra hatrany amin'ny 30.000 Ar kosa izany rehefa mba mety ny hatao toy ny fahatongavan'ireo kamiao avy any amin'ny faritra mitondra voamaina na vary hamidy etsy Anosibe.... Tsiahivina moa fa asa tsy misy fitsinjovana ny ho avy ny asana dokera. Tsy mpikambana amin'ny Ostie izy ireny no sady tsy ao amin'ny Cnaps koa na dia misy orinasa tsy miankina efa hiasany aza ny sasany. Mahatratra 100 eo ho eo anefa raha kely ireo Raim-pianakaviana mivelona amin'izany ao anatin'ny tsena iray toa an'Anosibe raha tsy tambo isaina intsony ny any ivelany.
Pati


Légende : Asa mafy nefa tsy azo hianteherana firy ny asana dokera !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
20-août-2026

Notolorana mari-piofanana ny tao amin’ny boriboritany IV

Card image cap