airtel

Sosialy

17-avril-2024

Fadiranovana tsy misy mpiahy ny Malagasy

Vary lo misy misikotra, ny mpatory an-dàlana mitombo,…

Sample post image

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

17-avril-2024

Ny 60 taonina notanterahana tao Antsarimasina raha toa ka tao Barikadimy no nopotehina ny 64 taonina. Ny mampalahelo anefa, dia vary efa nasiana gasoala nodorana sy nalevina, mbola misy olona mangady sy mitsimpona ny sisa tsy may nanomboka ny alatsinainy alina. Sary maneho fa tena mahantra fadiranovana, ary tena mihinam-pako ny Malagasy. Tsy miraharaha izay kalitao sy hoe vary simba sy lo izany, fa tena mizotra makany amin'ny hoe arapaka izay azo arapaka satria noana sy tsy misy hatokona, na dia misy aza ny miteny fa homena ny biby sy ny akoho no antony mbola nakana ireo vary. Tsy ao Toamasina ihany rahateo, fa betsaka ny tranga sy ny tondro mampiharihary ny fahantrana lalina, toy ny fitomboan'ny olona mangataka an-tanan-dehibe ka betsaka ireo zokiolona efa tsy tena afaka miasa sy mamokatra intsony no miafara. Ny any Fianarantsoa, mitombo ny olona matory an-dàlana,… Taratry ny fahantran'ny Firenena ireny, ary efa mananika ny 90% ny tahan'ny fahantrana. Miaina latsaky ny 2,15dolara na 10000Ar isan'olona isan'andro ny mari-drefin'ny Banky iraisam-pirenena momba ny fahantrana, saingy io rafitra ara-bola iraisam-pirenena io ihany aza no efa namoaka fa 75,2% amin'ny Malagasy no miaina ambanin'ny 4000Ar isan'andro, izany hoe: mbola ambanin'ny antsasak'ilay tondro. Miharihary sy tsy takona hafenina io amin'ny fiainana andavanandro. Isan'ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana, tsy tena fijerena ny tombotsoam-bahoaka,.... tsy misy mpiahy ny Malagasy, hany ka fihemorana amin'ny lafiny rehetra no misongadina. Ny vahoaka miha sahirana isan'andro kanefa ny politika ara-toekarena, ny politika fampanan'asa sy famoron'asa tsy mahomby, ny orinasa sy mpandraharaha sady lasibatry ny krizy no volosana ara-ketra, ny efa eto mikolay ary ny tokony ho avy mihemotra, ny angovo sy herinandro krizy mandavan-taona, ny tsy fandriampahalemana manjaka, ny lalampirenena tapitra potika,... Mihena noho ireny rehetra ireny ny hery hoenti-mamokatra, tsizarizary ny fihariana, mitotongana ny toekarena, midangana ny vidim-piainana, midina ny fahefa-mividy,... hany ka tena mihinam-pako ny olona fa tsy mijery izay kalitao sy fahasalamana intsony. Hararaotina ara-politika io ka tena vidiana ara-bakiteny ny olom-pirenena, tambazana hanina na zavatra hifidy ny kandida manam-bola amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana toy izao. Dia mbola hisy sahy hiteny ihany tokoa ve hoe mandroso i Madagasikara? Dia mbola izao endri-pitantanana tsy mahomby izao ve no antenaina hahavaha ny olan'ny Firenena?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap