ho an’ny Fandaharan'asa ara-tsakafo maneran-tany (PAM) ny governemanta koreanina, tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo tao Toliara. Tanjona amin’ity fanomezana ity ny manome fanampiana maika ho an’ireo mponina tena marefo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara manoloana ny tsy fahampian-tsakafo, amin’ireo distrika 10 ao anatin’ny faritra 4 (isan’izany ny any Atsimo-Andrefana), ary koa ny miantoka sakafo an-tsekoly ho an’ny 190 000 mpianatra eo ho eo any amin’ireo sekoly 586 ao amin’ireo faritra voakasika. Tamin’ny taona 2024, dia efa nanolotra 10 000 taonina ny vary ihany koa ny governemanta koreanina ho an’ny PAM, ho fanampiana ny mponina any Atsimo sy Atsimo-Atsinanana, izay tratry ny loza voajanahary toy ny haintany lava sy rivodoza miverimberina. Zava-dehibe ireny amin’ny lafiny iray satria tena marefo sy tsy tena misy mpiahy ny mponina amin’ny faritra tahaka ireny eto Madagasikara, indrindra fa ny tapany atsimo. Ilaina ihany koa anefa ny famoahana vahaolana maharitra mba tsy hisian’ny fiankinan-doha amin’ny tohana sy fanampiana lava satria tsy voatery hisy foana ny toy izao. Mila politika ara-tsosialy sy ara-toekerana mahomby fa tsy sanatria fitezana vahoaka hionona amin’ny fiandrasana tohana sy fitserana. Matetika aza moa lalaovina ara-politika mihitsy ny olana sy fahantrana. Itony izao dia ny vahiny mivantana no manolotra fa betsaka ihany koa ny fanampiana iraisam-pirenena teto izay nivadika ho fitaovana politika nentina nampalazana mpitondra sy nanabeazana voho ny antokony.
Toky R
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,