airtel

Sosialy

07-juil-2025

FAHAPOIZINANA ARA-TSAKAFO

Aiza ny valin'ilay analizy, hoy i Depiote Voahangy

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ilay fanapoizinana ara-tsakafo mihanaka eto amintsika

07-juil-2025

ny Solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano Raharimanarivo Voahangy. Aiza ny valin'ilay analizy voalaza fa nalefa tany ivelany ivelany hoy izy fa miandry ny vahoaka. Avy amin'izay mantsy hoy hatrany ity Solombavambahoaka ity no hahafantaran'ny olona ny zavatra tsy tokony hohaniny sy ny azony hohanina. Ny tena mampalahelo hoy hatrany izy raha nanohy ny fanehoan-keviny dia rehefa misy manao fety na ao anatin'ny fianakaviana aza dia tsy misy mety mihinan-kanina intsony ny olona. Ny fiaraha-misakafo anefa no mariky ny firaisampo sy ny fihavanana raha ny nambarany. Nomarihiny manokana moa fa ho simba hatramin'ny fiaraha-monina Malagasy mihitsy raha mitohy izao. Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny araka izany ny Solombavambahoaka Raharimanarivo Voahangy. Toraka izany koa ny delestazy lavareny sy ny tsy fandriampahalemana izay nohantitranteriny fa efa hanairana ny Fitondrana hatrany saingy ireto farany mihitsy no tsy manao zavatra.
Pati
Légende : Depiote Voahangy mikolay ny amin'ny fomba fiasan'izao Fitondram-panjakana izao !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

hampiakarana 300 000Ar ny karama farany ambany

Card image cap